Tito
Toko faha-2
1 Fa ianao kosa, dia izay mifanaraka amin'ny fampianarana tsy misy tomika no lazao.2 Anaro ny lehilahy zokiolona mba hahalala onony amin'ny fisotro, ho maotina, hahafehy tena, tsy hisy tomika amin'ny finoana, amin'ny fitiavana, amin'ny faharetana.
3 Anaro toy izany koa ny vehivavy zokiolona mba hanana fitondrantena sahaza ny olona masim-piainana, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin'ny divay be. Ireo vehivavy zokiolona dia tokony hanome anatra tsara
4 ka hanoro ny vehivavy tanora ho tia vady aman-janaka,
5 hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin'Andriamanitra.
6 Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena.
7 Amin'ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin'ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina:
8 teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.
9 Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin'ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy,
10 tsy hangalatra ny zavany, fa haneho toetra mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin'ny zavatra rehetra ny fampianarana momba ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika.
11 Fa Andriamanitra efa naneho ny fahasoavany, izay loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra.
12 Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handa ny toetra tsy miraharaha an'Andriamanitra sy handa ny filan'izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao.
13 Toy izany no tokony hiandrasantsika ny hasambarana antenaintsika sy ny andro hisehoan'ny voninahitr'i Jesoa Kristy, ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika.
14 I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.
15 Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra omban'ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.