Tôbita
Toko faha-9
1 Tamin'izay no nantsoin'i Tobia i Rafaela ka nitenenany hoe:2 -Ry Hazaria sakaizako, maka mpanompo efatra sy rameva roa hiaraka aminao, ka mandehana mankany amin'i Gabaela any Ragao.
3 Omeo azy ilay taratasy voasonia mba hahazoanao ny petra-bola. I Gabaela kosa ho entinao miaraka aminao mba hankaty amin'ny fampakaram-badiko.
4 Fantatrao fa tsy mitsaha-manisa andro ny raiko mandra-piveriko. Raha tahiny taraiky andro anankiray aho, dia hampalahelo azy mafy. Hitanao koa fa efa nanao fianianana i Ragoela mba tsy hahazoako mihetsika; ary tsy afa-manohitra izany aho.
5 Niaraka tamin'ny mpanompo efatra sy rameva roa tokoa i Rafaela no lasa nankany Ragao, tananan'i Media, ary niantrano tao amin'i Gabaela iny alina iny. Nomen'i Rafaela azy ny taratasim-pifanekena voasonia; ary notantarainy taminy fa i Tobia zanakalahin'i Tobita, dia nahazo vady ka manasa azy amin'ny lanonana fampakaram-bady. Teo no ho eo ihany i Gabaela dia nanisa ny kitapom-bola izay voaisy tombokase; ary nakarina teo ambony rameva ireo.
6 Vao maraina be no niara-niainga izy rehetra ary nankany amin'ny lanonana fampakaram-bady. Rehefa tonga tao amin'i Ragoela ireto mpandeha, dia nahita an'i Tobia efa eo am-pisakafoana. Fa nitsangana faingana i Tobia mba hiarahaba an'i Gabaela; ka sady nitomany i Gabaela no nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: -Olom-banona ianao sady nateraky ny lehilahy olom-banona sy mpandala ny rariny ary mpanao fiantrana! Homen'ny TOMPO tsodrano avy any an-danitra anie ny tenanao sy ny vadinao ary ny ray aman-drenin'ny vadinao! Ankalazaina Andriamanitra, satria nataony hitako i Tobia havako, izay mitovy amin-drainy mihitsy.