Tôbita

Toko faha-8

1 Rehefa vita ny sakafo, dia samy te hatory avy; ary nentina ilay tovolahy ka nampidirina tao amin'io efitrano voaomana io.

2 Tamin'izay i Tobia dia nahatsiaro ny tenin'i Rafaela, ka naka ny fo aman'atin-trondro tao an-kitapony ary nametraka azy teo ambony vainafo fandoroana vovo-javamanitra.

3 Izany lanin-trondro nidofaka izany no nampihemotra ilay demony; ary lasa izy nisidina teny amin'ny ambony teny ka nandositra tany amin'ny faritr'i Ejipta. Nenjehin'i Rafaela hatrany Ejipta kosa io demony io ary nosamboriny ka nafatony teo no ho eo.

4 Dia namela an'i Tobia tao an'efitrano i Ragoela mivady ary nanidy ny varavarana. I Tobia kosa nitsangana niala teo am-parafara ka niteny tamin'i Sara hoe: -Mitsangana, ry vady malalako, fa hivavaka isika ary hitalaho amin'ilay TOMPOntsika mba hamindrany fo sy harovany.

5 Dia nitsangana i Sara; ary nanomboka nivavaka sy nitalaho izy roa mba harovan'ny TOMPO. Ka hoy i Tobia hoe: -Ankalazaina Ianao, ry Andriamanitry ny razanay; ankalazaina ny anaranao amin'ny taona rehetra ho avy. Hankalaza Anao anie ny lanitra sy ny voaary manontolo amin'ny taona rehetra!

6 Ianao no nanao an'i Adama ary nanao mpanampy sy mpanohana ho azy, dia i Eva vadiny; ka izy roroa no nipoiran'ny taranak'olombelona. Ianao no nilaza hoe: Tsy tsara raha irery ny lehilahy, aoka izy hanaovantsika mpanampy mitovy endrika aminy !

7 Ankehitriny, TOMPO o, tsy faniriana no nahatonga ahy haka ity havako ity ho vady fa ny firaiketam-po aminao. Koa mba amindrao fo ny tenako sy ny tenany, ary omeo anay roa ny hiaraka hotratra antitra.

8 Dia indray nanampy izy mivady nanao hoe: - Amen! Amen!

9 Avy eo dia natory izy roa tamin'iny alina iny.

10 Taorian'izany i Ragoela no niarina sy niantso an'ireo lehilahy mpanompony, ka niara-nandeha taminy hihady fasana; satria hoy i Ragoela anakampony: "Raha maty ilay tovolahy, dia ho voaeso sy ho voa tevateva izahay! "

11 Rehefa voahady ny fasana, dia niverina tao an-trano i Ragoela ary niantso ny vadiny

12 sy nilaza taminy hoe: -Mba aniraho anankiray amin'ireo mpanompovavy hankao an'efitrano ka hijery raha mbola velona aina i Tobia. Raha tahiny kosa maty izy, dia ho azontsika atao ny handevina azy tsy hisy mpahalala.

13 Dia nirahin'izy mivady ity mpanompovavy, ka nomeny jiro voarehitra ary novohany varavarana; dia niditra ny efitrano io mpanompovavy io ka nahita an'i Tobiasy i Sara miara-mandry sady renoky ny torimaso.

14 Ka nivoaka ny efitrano izy ary nampandre an'i Ragoela mivady hoe: -Velona aina i Tobia! Tsy nisy loza nihatra akory!

15 Dia nankalaza an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Ragoela ka nanao hoe: -Ankalazaina Ianao, Andriamanitra o, ankalazain'ireo rehetra madio fo. Aoka izy hankalaza Anao amin'ny taona rehetra!

16 Ankalazaina Ianao naneni-kafaliana ahy, satria tsy nihatra ny zavatra nahiko; araka ny haben'ny indrafonao no nataonao taminay.

17 Eny, ankalazaina ianao namindrafo tamin'ireo zaza samy tokana ireo. Tompo o, indrafo sy famonjenano asehoy amin'izy roa hatrany; ary ny fiainany ataovy mizotra ombam-pifaliana sy ombam-piantrana!

18 Avy eo dia nobaikoin'i Ragoela ireo lehilahy mpanompony hanototra ilay fasana nataony, alohan'ny hiposahan'ny masoandro.

19 Ary nilazan'i Ragoela ny vadiny mba hanao mofo betsaka. Ny tenany kosa nandeha tany amin'ny andiam-biby fiompiny, ka naka omby roa sy ondrilahy efatra teo ary nampanamboatra azy handrahoina. Dia nanomboka ny fanomanan-danonana.

20 I Tobia kosa nantsoin'i Ragoela ka nitenenany nombam-pianianana hoe: -Mandritra ny 14 andro, dia tsy hihetsika teto ianao fa hijanona ato an-tranoko mba hihinana sy hisotro. Hampifalianao fo indray ny zanako vavy, izay efa nianjadiam-pahoriana betsaka.

21 Raiso dieny izao ny antsasa-pananako, ary hiverina soa aman-tsara any an-tranon-drainao ianao. Ny antsasany hafa kosa dia ho anareo roa, rehefa maty ny tenako sy ny vadiko. Mahereza, anaka, fa ray ho anao ny tenako ary reny ho anao i Edna. Miraiki-po aminao sy amin'ny vadinao izahay, dieny izao ka ho mandrakizay. Mahereza, anaka!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555