Tôbita

Toko faha-7

1 Fony ireto mpandeha niditra tao Ekbatana, dia hoy i Tobia tamin'ilay anjely: -Ry Hazaria malalako, tariho hivantana any amin'i Ragoela mpiray firenena amintsika aho. Dia notarihin'ilay anjely ho any an-tranon'i Ragoela i Tobia. Hitan'ireto mpivahiny i Ragoela, nipetraka eo akaikin'ny varavaran'ny tokotaniny; ary lohalaharana ireo tamin'ny fiarahabana azy, kanovalian'i Ragoela hoe: -Mirary soa betsaka ho anareo aho, rahavako, ary miarahaba anareo tonga soa. Dia nampandroso an-trano ireto vahiny i Ragoela

2 sady niteny tamin'i Edna vadiny hoe: -Mba mitovy amin'i Tobita havako mihitsy ity tovolahy ity!

3 Ary nanontanian'i Edna ireto vahiny ny amin'ny fiaviany, ka namaly azy hoe: -Avy any Ninive izahay. Anisan'ny voababo tamin'ny taranak'i Naftaly izahay.

4 Dia hoy indray i Edna hoe: -Mba fantatrareo ve i Tobita havanay! Ka novalian'ireo hoe: -Eny, fantatray izy!

5 Ary hoy ihany i Edna hoe: -Mba manahoana izy izay? Ka novalian'ireto vahiny hoe: -Mbola velona aina izy ary salama tsara. Sady nampian'i Tobia hoe: -Izy ange no raiko!

6 Tamin'izay i Ragoela dia nitsamboatra ka nanoroka an'i Tobia sady nitomany, ary nilaza taminy hoe: - Hotahin'Andriamanitra anie ianao, anaka! Manan-dray mahafatra-po tokoa ianao. Loza indrisy fa tonga jamba izany lehilahy marina sy mpanao fiantrana izany! Dia nofihinin'i Ragoela ny vozon'i Tobia havany ary mbola nitomany indray izy.

7 Samy nitomany koa i Edna vadiny sy i Sara zanany vavy, teo am-pieritreretana an'i Tobita.

8 Avy eo i Ragoela dia nampamono ondrilahy anankiray tamin'ny andiam-biby fiompiny mba hanaovana fandraisana mafana an'ireto vahiny.

9 Rehefa avy nisasa sy nidio araka ny fanao ireto vahiny, dia niroso hisakafo. Ary hoy i Tobia tamin'i Rafaela: -Ry Hazaria malalako, mba angataho i Ragoela hanome an'i Sara havako ho vadiko.

10 Nandre izany teny izany i Ragoela ka nilaza tamin'ilay tovolahy hoe: -Mihinana sy misotroa ianao, ary hararaoty hifaliana izao takariva izao. Tsy misy olona manan-jo hanambady an'i Sara zanakovavy afa-tsy ianao, rahavako. Tsy azoko atao ny manome azy amin'olon-kafa ankoatra ny tenanao, satria ianao no havako akaiky indrindra. Kanefa ho lazaiko anao mihitsy ny marina:

11 lehilahy fito anisan'ireo Israelita havantsika no efa nifandimby nomeko azy ho vady, saingy maty avokoa izy rehetra tamin'ny alina fampakarana, iny ireo hanatona an'i Sara iny. Izao aloha ianao, anaka, dia mihinana sy misotroa; ny TOMPO kosa no hiasa hanambina anareo.

12 Fa novalian'i Tobia hoe: -Tsy hihinana ary tsy hisotro na inona na inona aho, ambara-panapakao hevitra ny amiko. Ka hoy i Ragoela tamin'i Tobia: -Eny ary fa hataoko izany. Omena anao araka ny tinapaky ny bokin'i Mosesy i Sara; noho izany, dia Andriamanitra no nanapa-kevitra ny hanome azy anao. Koa raiso ho vady io havanao io. Manomboka izao, dia ho vady malalany ianao ary ho vady malalanao izy. Anao i Sara, manomboka anio ka ho mandrakizay. Ilay TOMPOn'ny lanitra no hanao izay hahasoa hahatsara ity alina ity ho anareo roa, anaka. Enga anie Izy hamindrafo aminareo ary hampiadana anareo!

13 Avy eo dia nantsoin'i Ragoela i Sara zanany vavy. Rehefa tonga teo aminy kosa razazavavy, dia noraisiny tanana ary nentiny hankeo amin'i Tobia izay nitenenany hoe: -Raiso i Sara fa omena ho vadinao, araka ny Lalana sy araka ny fepetra voasoratra ao amin'ny Bokin'i Mosesy. Tano izy ary ento soa aman-tsara hiaraka aminao any an-tranon-drainao. Enga anie ilay Andriamanitry ny lanitra hitarika anareo sy homba fiadanana anareo!

14 Dia nantsoin'i Ragoela ny vadiny sady nasainy hitondra taratasy hanoratana. Ary nosoratan'i Ragoela ny fifanekem-panambadiana, izay miantoka fa nomeny ho vadin'iTobia i Sara, araka ny fepetran'ny lalanan'i Mosesy. Avy eo izy rehetra vao nihinana sy nisotro.

15 Dia nantsoin'i Ragoela indray i Edna vadiny ka nilazany hoe: -Ry vady malalako, omany kely ny efitrano fandriana faharoa ary ento ao i Sara.

16 Lasa tokoa i Edna nanomana fandriana tao amin'ilay efitrano, araka izay nolazaina taminy; ary nentiny nankao ny zanany vavy. Nitomany i Edna teo am-pieritreretana an'i Sara, kanefa avy eo dia namaoka ranomaso izy sady niteny tamim-drazazavavy hoe:

17 -Mahereza, anaka. Enga anie ilay Tompon'ny lanitra hanova ny alahelonao ho fifaliana! Mahereza, anaka. Dia nivoaka ny efitrano i Edna.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055