Tôbita
Toko faha-4
1 Androtr'io ihany i Tobita dia nahatsiaro ny vola napetrany tamin'i Gabaela, tao Ragao tananan'i Media.2 Ka hoy izy anakampony: "Nangatahiko tamin'Andriamanitra ny ho faty, ka tsara ny hiantsoako an'i Tobia zanako lahy mba hampahafantarako azy ny amin'io vola io alohan'ny hahafatesako."
3 Ary nantsoin'i Tobita ity zanany lahy; ka rehefa tonga teo aminy, dia nilazany hoe: "Ataovy tsara levenana aho, rehefa maty. Hajao ny reninao, ary aza ilaozana izy amin'ny andro rehetra hiainany. Ataovy izay mahafaly azy, fa aza mampalahelo azy na amin'inona na amin'inona,
4 tsarovy, anaka, fa niatrika fijaliana maro izy fony nitondra anao tao am-bohoka. Rehefa ho faty izy, dia aleveno eo akaikiko ao amin'ny fasana iray ihany.
5 "Anaka, tsarovy hatrany ny Tompo, ary aza manaiky hanota na handika ny didiny. Amin'ny androm-piainanao rehetra, manaova asa soa ary aza ny lalam-paharatsiana no izorana,
6 satria ireo manao ny marina no hahomby amin'ny raharahany.
7 Ireo rehetra manao asa soa no anaovy fiantrana avy amin'ny fanananao. Aoka ny fijerinao tsy hanenina rehefa nanao fiantrana ianao! Aza ahodina tsy hiatrika ny mahantra isan-karazany ny endrikao, dia hiatrika anao ny endrik'Andriamanitra.
8 Manaova fiantrana araka izay anananao, arakaraka ny haben'ny harenao. Na kely aza no anananao, dia aza matahotra ny hanao fiantrana araka ny kely anananao:
9 rakitra soa manko no angoninao ho an'ny tenanao ho amin'ny andro fahoriana,
10 satria ny fiantrana manafaka amin'ny fahafatesana ary misakana tsy hiditra any amin'ny haizina.
11 Eny, ho an'izay rehetra manao fiantrana, dia fanatitra tsara izany eo imason'Andriamanitra Avo Indrindra.
12 Anaka, aoka ianao hifady ny fanambadiana tsy araka ny lalanan'Andriamanitra; ka voalohany indrindra, vehivavy mpiray firenena aminao no aoka halainao ho vady! Aza manambady vehivavy vahiny izay tsy anisan'ny fokon-drainao, satria taranaky ny mpaminany isika. Tsarovy, anaka, ireo razambentsika hatramin'ny fahagola, dia ry i Noa sy i Abrahama ary i Itsehakasy i Jakoba; tsarovy fa vehivavy mpiray firazanana aminy no nalain'izy rehetra ho vady. Izany no nitsofan'Andriamanitra rano azy hanan-janaka; ary ny taranany no hahazony tany nampanantenaina."
13 Koa tiavo, anaka, ny Israelita mpiray firenena aminao; aza miavonavona amin'olona anisan'ny firenenao, na lahy na vavy, ka hihevitra ny tsy haka vady eo aminy. Ny fiavonavonana manko dia miteraka faharavana sy fikorontanana maro; toy izany koa ny fahakamoana dia miteraka fahantrana sy fahadiranovana goavana, satria ny fahakamoana no loharanon'ny mosary.
14 "Aza tanana ho amin'ny ampitso ny karaman'ny mpiasa, fa aoka haloanao avy hatrany; raha manompo an'Andriamanitra araka izany ianao, dia hisy valisoa hasetriny anao. Mitandrema tena ianao, anaka, amin'ny zava-drehetra ataonao, ary aoka hiharihary fa tsara taiza ianao amin'ny fitondrantenanao manontolo!
15 Izay zavatra halan'ny tenanao, dia aza atao amin'ny hafa. Aza misotro divay tafahoatra ka ho tonga mamon'izany; aoka ny hamamoana tsy hiara-dia aminao eny an-dalanao.
16 Ny mofonao izarao amin'izay noana ary ny fitafianao izarao amin'izay tsy mitafy. Anaovy fiantrana ny zavatra rehetra mihoatra ny ilainao; ary aoka ny fijerinao tsy hanenina, rehefa nanao fiantrana ianao!"
17 Omeo sakafo izay avy nisaona nandevina olo-marina ; fa aza anaovanao izany kosa ny mpanota.
18 "Akao torohevitra ny olon-kendry isan-karazany; ary aza atao tsirambina ny torohevitra tsara.
19 Ankalazao ny TOMPO Andriamanitrao amin'ny fotoan-drehetra, ary angataho Izy hitarika anao amin'ny lala-mahitsy ary hampahomby izay rehetra karakarainao sy kendrenao; tsy misy manko firenena manana ny fahatakaran-kevitra fa ny TOMPO ihany no manome ny zava-tsoa rehetra; sady izay tiany haetry, dia aetriny hatrany amin'ny toeran'ny maty. Koa tadidio, anaka, ireo hafatrafatra ireo, ary aoka tsy ho voakosoka na oviana na oviana ao am-ponao!"
20 "Ankehitriny, anaka, dia ampahafantariko anao fa misy volafotsy telonjato kilao napetrako tamin'i Gabaela zanakalahin'i Gabry, tao Ragao tananan'i Media.
21 Eny, nihamahantra isika, anaka, saingy aza manahy; manana harem-be ianao, raha manaja an'Andriamanitra sy mifady ny fahotana isan-karazany ary manao izay tsara imason'ny TOMPO Andriamanitrao."