Tôbita
Toko faha-2
1 Tamin'ny nanjakan'i Asaradona no tafaverina tao an-tranoko tao Ninive aho ka nifankahita indray tamin'i Hana vadiko sy tamin'i Tobia zanako lahy. Tamin'ny fankalazanay ny Pentekosta, izany hoe ilay fankalazana masina ny Herinandro fito, dia nanaovana sakafo tsara aho. Nipetraka hihinana izany aho2 ary nitondra na karazan-kanina matsiro maro; ka hoy aho tamin'i Tobia zanako lahy: -Ndeha, anaka, mankany amin'ny Israelita havantsika voababo eto Ninive. Dia mitadiava mahantra anankiray miraiki-po manontolo amin'ny TOMPO; ary ento izy hiara-misakafo amiko. Tsy mbola hitehin-kanina aho, anaka, mandra-piverinao.
3 Dia lasa i Tobia nitady mahantra anankiray teo anivon'ireo havanay; kanjo niverina izy sady nihoraka hoe: -Dada o! Ka hoy aho hoe: -Ahoana izay, anaka? Dia novaliany hoe: -Dada o, misy olona mpiray firenena amintsika vao novonoina ho faty ao. Nokendaina izy io, dia natsipy teo an-kianja, ary mbola ao izao.
4 Navelako teo tsy nokasihiko akory ny sakafoko, dia nihazakazaka nankany an-kianja aho mba haka ilay faty. Napetrako tao an'efitra fanampin-trano izany; ka niandry ny hilentehan'ny masoandro aho vao nandevina azy.
5 Rehefa tafaverina tao an-trano aho, dia nisasa tanana ho fidiovako ; avy eo dia nisakafo tamim-pisaonana aho
6 sady nahatsiaro ny teny voalazan'ny mpaminany Hamosa tamin'ny mponin'i Betela hoe: "Havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo. "Ary nitomany aho.
7 Rehefa nilentika ny masoandro, dia niainga hamboatra lavaka aho ary nandevina ilay faty.
8 Nanesoeso ahy avokoa ireo mpiara-monina nanao hoe: -Tsy matahotra intsony ve izy? Efa notadiavina hovonoina ho faty izy noho ny fihetsika toy izao ary voatery nandositra; kanefa indro izy mbola mamerina mandevina ny maty indray!
9 Tamin'io alina io, rehefa avy nandro ho fidiovako aho, dia lasa nitsotsotra tao an-tokotany, nanaraka ny lavan'ny tamboho; ary tsy nisaron-tava aho noho ny hafanana.
10 Tsy fantatro kosa fa nisy sidintsidina nanao akany tao amin'ny tamboho, teo amboniko. Koa tain-tsidintsidina mbola mafana no nilatsaka tamin'ny masoko roa ary nampisy pentina fotsy teo. Nankany amin'ny dokotera aho mba ho tsaboiny; saingy arakaraky ny nampiasana menaka fanosotra tamiko no vao mainka nohajambain'ireo pentina fotsy ireo ny masoko, ary dia niafara ho jamba tanteraka. Tsy afa-nahita mihitsy ny masoko nandritra ny efatra taona. Onena ahy ireo havako rehetra. Nandritra ny roa taona i Ahikara dia niahy ny zavatra nilaiko, alohan'ny handehanany ho any Elimaida.
11 Tamin'izay i Hana vadiko no voatery nirotsaka tamin'ny asan-tanana fanaom-behivavy.
12 Natolony tamin'ireo mpampiasa azy ny zava-bitany; ireto kosa nanome karama azy. Tamin'ny volana Distra, andro fahafito, dia nahavita asa anankiray i Hana ka natolony tamin'ny mpampiasa. Dia nomeny karama feno izy, ary nomeny koa zanak'osy hatao sakafo.
13 Fony nanatona ahy ilay zanak'osy, dia nibarareoka; koa nantsoiko ny vadiko ary nanontaniako hoe: -Avy aiza izany zanak'osy izany? Raha zavatra nangalarina, dia avereno any amin'ny Tompony; fa tsy mahazo mihinana na inona na inona avy amin'ny halatra isika.
14 Fa novalian'i Hana hoe: -Fanomezana nomena ahy ankoatra ny karamako io! Mbola tsy nino azy ihany aho ka nanizingizina ny hamerenana ilay zanak'osy amin'ny Tompony. Nisafoaka tamin'ny vadiko aho noho izany toe-javatra izany, ka nanaovany setrin-teny hoe: -Aiza no mba vokatry ny asa fiantranao? Aiza no mba vokatry ny soa nataonao? Jereo fa miharihary ny zava-mihatra aminao !