Tôbita
Toko faha-14
1 Toy izany no niafaran'ny tononkira fisaorana nataon'i Tobita.2 Maty nilamina i Tobita, rehefa feno 112 taona; ary natao nanetriketrika ny fandevenana azy tao Ninive. Feno 72 taona izy, fony tonga jamba. Taorian'ny nahiratany indray, dia niaina nanan-karena i Tobita sy nanao fiantrana ary nanohy nankalaza an'Andriamanitra sy nanao antso avo ny halehibiazany.
3 Rehefa akaiky ho faty i Tobita, dia niantso an'i Tobia zanany ary nanafatrafatra azy toy izao: "Anaka, ento ny zanakao
4 ary mandehana faingana mankany Media. Inoako manko ny tenin'Andriamanitra mamely an'i Ninive, teny izay nolazain'i Nahoma: ho tonga avokoa izany ary hihatra amin'i Asiria sy i Ninive. Hihatra tokoa ny zava-drehetra voalazan'ireo mpaminanin'i Israely, dia ireo mpaminany nirahin'Andriamanitra. Tsy misy ho foana na iray aza amin'ireny teny rehetra ireny, fa samy ho tanteraka amin'ny fotoanandrony avy. Koa any Media no azo antoka kokoa noho ny eto Asiriana atsy Babilona, satria fantatro sy inoako fa ny zava-drehetra nolazain'Andriamanitra dia hianjady sy ho tonga; ary tsy hisy raraka an-tany ny tenin'ireo faminaniana ireo. Ireo mpiray firenena amintsika, izay mbola monina ao Israely, dia haparitaka ary ho entina ho babo lavitr'izany tany soa izany. Ho tonga taniefitra i Israely manontolo; i Samaria sy i Jerosalema kosa dia ho tanana aolo; ary ny tranon'Andriamanitra dia ho dorana sy havela ho rava mandritra ny fotoana voafetra.
5 Kanefa hamindran'Andriamanitra fo indray ilay vahoakany ka haveriny ao amin'ny tanin'i Israely. Ary haorin'ireo ny tempoly, saingy io tempoly io dia tsy hamirapiratra toy ilay tempoly voalohany, mandra-pahafeno ny fotoanandro. Aorian'izany no hiverina avy amin'ny fahababoana ny Israelita rehetra ka hanorina indray an'i Jerosalema amin'ny fomba mahafinaritra; ny tempolin'Andriamanitra koa ho voaorina araka ny nilazan'ireo mpaminanin'i Israely azy.
6 Ary ny hafa firenena rehetra manerana ny tany manontolo dia hiverina amin'Andriamanitra ary hanaja Azy araka ny tena izy; hilaozan'ireo ny sampy manodoka, dia ireo sampy nampivaona azy tamin'ny hevi-diso, ary hankalazainy amim-pahamarinana ilay Andriamanitra mandrakizay.
7 Amin'izany andro izany, ireo Israelita rehetra izay mahatsiaro an'Andriamanitra tokoa dia ho vonjeny; hangoniny sy haveriny ao Jerosalema ireo, ary homeny indray ny tanin'i Abrahama mba honenany mandrakizay tsy amin'ahiahy. Hientan-kafaliana ireo tia tokoa an'Andriamanitra; fa ho fongotra amin'ny tany manontolo kosa ireo mpanota sy mpanao ratsy.
8 "Ankehitriny, rey anaka, izao no anafatrafarako anareo: Manompoa an'Andriamanitra amim-pahamarinana ary ataovy izay sitraka eo imasony. Aoka ho baikoinareo ireo zanakareo mba hanao ny rariny sy ny fiantrana; aoka izy hahatsiaro an'Andriamanitra ary hankalaza ny anarany mandrakariva amim-pahamarinana sy amin'ny heriny manontolo.
9 Ianao kosa, ry Tobia zanako, aoka handao an'i Ninive fa aza mijanona eto. Rehefa ho faty ka ho voalevinao eo anilako ny reninao, dia aza mijanona intsony ao amin'ny faritr'ity tanana ity. Hitako manko fa ny fanaovan-dratsy no mihanaka ao aminy; ary tsy misy henatra akory no anaovana fitaka zavon-tany."
10 Anaka, tsarovy ny fomba nataon'i Nadaba tamin'i Ahikara izay ray nanangana azy: nasain'i Nadaba nazera velona tao an-davaka an-kibon'ny tany izy. Kanefa izany habibiana mahatsiravina izany dia nafotitr'Andriamanitra taminy, teo imason'ilay nosomparany; raha tafavoaka nahita ny mazava i Ahikara, fa niditra ho ao amin'ny haizina mandrakizay kosa i Nadaba izay nitady hamono hahafaty azy. Fatra-panao fiantrana io Ahikara io ka izany no nahatafavoaka azy tamin'ny fandrika mahafaty novelarin'i Nadaba hamelezana azy; ity Nadaba ity kosa no latsaka tao amin'ny fandrika mahafaty novelariny, ka ny tenany ihany no matin'izany.
11 Jereo ary, anaka, ny vokatry ny fanaovam-piantrana; jereo koa ny vokatry ny fanaovan-dratsy, satria mamono mahafaty izany. "Indro kosa fa manomboka miala amiko ny aina. "Tamin'izay i Tobita dia natsotra teo am-parafara ka maty teo. Ary natao nanetriketrika ny fandevenana azy.
12 Rehefa maty ny reniny, dia nalevin'i Tobia teo anilan'ny rainy. Avy eo dia lasa nankany Media izy sy ny vadiny ka niorim-ponenana tao Ekbatana teo akaikin'i Ragoela rafozan-dahiny.
13 Nokarakarain'i Tobia tamim-panajana i Ragoela mivady, teo amin'ny fahanterany; ary, fony maty izy roa, dia naleviny tao Ekbatana. Ka nandovany fananan'i Ragoela i Tobia, tahaka ny efa nandovany rahateo ny an'i Tobita rainy.
14 Ny tenany koa dia maty, rehefa feno107 taona; ka heni-kaja tamin'ny olona izy.
15
Talohan'ny nahafatesan'i Tobia, dia henony ny fandravana an'i Ninive ary hitany tonga tao Media ireo Ninivita voababon'i Siaksara mpanjakan'ny Medianina.
Nankalaza an'Andriamanitra i Tobia tamin'ny loza rehetra namelezany ny olona tao Ninive sy tao Asiria. Alohan'ny hahafatesany, dia nifaliany ny nanjo an'i Ninive; ary ho amin'ny taona mandrakizay no hankalazany ny TOMPO Andriamanitra.