Tôbita

Toko faha-13

1 Ary hoy i Tobita hoe:

2 "Hankalazaina anie Andriamanitra, Ilay velona mandrakizay! Hankalazaina anie ny fanjakany! Fa manasazy Andriamanitra, dia mamindrafo; Izy no mampidina ny olona any amin'ny toeran'ny maty, dia hatrany amin'ny fanambanin'ny tany; Izy koa no manala avy amin'ny fahaverezambe. Tsy misy zavatra afa-midify ny fahefany.

3 Ry Israelita, mankalaza an'Andriamanitra eo anatrehan'ny hafa firenena nanelezany anareo;

4 teo koa Izy no naneho halehibiazana taminareo. Asandrato Izy eo anoloan'ny miaina rehetra, satria Izy no Tompontsika, Izy no Andriamanitsika sy Raintsika ; Izy no Andriamanitra amin'ny taona rehetra.

5 Manasazy anareo Izy noho ny fahadisoanareo kanefa hamindrafo aminareo rehetra, ary hanangona anareo avy amin'ny firenena rehetra izay nanelezana anareo.

6 Rehefa amin'ny fo manontolo sy aina manontolono hiverenanareo amin'Andriamanitra mba hanao ny marina eo imasony, dia hiverina aminareo koa Izy ary tsy hanafin-tava aminareo intsony.

7 Jereo ary ny nataony ho anareo, ka isaory amin'ny vava tontolo Izy. Ankalazao ny Tompo mpandala ny rariny ary asandrato ilay Mpanjaka mandrakizay.

8 Izaho kosa misaotra Azy tokoa aty an-tany namaboana ahy aty. Ny hery amam-pahalehibiazany no asehoko amina firene-mpanota. Miverena amin'Andriamanitra, ry mpanota o, ary manaova ny rariny eo imasony. Iza moa no mahalala? Fa angamba hanambina anareo Izy ary koa hamindrafo aminareo.

9 Manandratra an'ilay Andriamanitro aho; ny amin'ny Mpanjakan'ny lanitra no mampientan-kafaliana ny aiko.

10 Aoka ny olona rehetra, ao Jerosalema, hanambara ny halehibiazany sy hisaotra Azy! Ry Jerosalema tanana masina o, nosazin'Andriamanitra ianao noho ny toetran'ireo mponinao; kanefa Izy mbola hamindrafo indray amin'ireo zanaky ny olo-marina.

11 Koa ataovy tsara ny fisaorana Azy, ankalazao ilay Mpanjaka mandrakizay dia haorina indray amin-kafaliana ny Toeramasina eo anivonao.

12 Aoka ianao no hampifalian'Andriamanitra an'ireo voababo rehetra, sy hanehoany fitiavana ny ory rehetra eo amin'ny taranaka rehetra ho avy!

13 Hazavana manjopiaka ao aminao no hamiratra amin'ny lafin-tany rehetra. Vahoaka marobe, avy any lavitra, no ho tonga eo aminao; ary ny mponin'ny vazan-tany rehetra no hankeo amin'ilay Andriamanitrao masina ka hitondra ny fanatitra eny an-tanana ho an'ilay Mpanjakan'ny lanitra. Ao aminao ny taranaka mifandimby no haneho ny hafaliany, ry Jerosalema; ka ny anarana hoe Voafidy"" no hiantsoana anao eo amin'ny taranaka ho avy."

14 Ho voaozona anie izay rehetra hiteny mandrahona anao! Ho voaozona anie izay rehetra handrava anao sy handrodana ny mandanao, mbamin'izay rehetra hampianjera ny tilikambonao sy handoro ireo tranonao, ry Jerosalema! Fa hotahina mandrakizay kosa izay rehetra manaja anao.

15 Amin'izay, ry Jerosalema, mirosoa mifaly noho ny amin'ireo zanaky ny olo-marina satria ho tafavory izy rehetra mba hankalaza ilay Tompo mandrakizay. Sambatra ireo mankamamy anao; sambatra ireo mientan-kafaliana amin'ny fiadanana manerana anao.

16 Sambatra izay rehetra malaheloanao noho ny amin'ny famaizana nanjoanao; satria hientan-kafaliana ao aminao izy, ary ny hafaliana feno anananao no hiombonany mandrakizay. Ny aiko dia mankalaza ny Tompo, ilay Mpanjaka lehibe,

17 satria ho voaorina indray i Jerosalema ary hijoro mandrakizay ao amin'io tanana io ny tranon'ny Tompo. Ry Jerosalema o, ho faly tokoa aho rehefa hatrizay ny sisa tavela amin'ny taranako dia hahita ny famirapiratanao ary hisaotra ilay Mpanjakan'ny lanitra. Ny vavahadinao dia haorina amin'ny safira sy emeralda; ny tilikambonao dia harafitra amin'ny volamena ary ny fanamafisana azy dia hatao volamena madio; ny arabenao dia ho vita rary vatosoa mena sy vato voafantina avy any Ofira.

18 Ny vavahadinao no hipoiran'ny hiran-kafaliana ary ny tranonao rehetra dia handredonana hoe: Haleloia! Hankalazaina anie ilay Andriamanitr'i Israely! Ary ireo notahiny dia hankalaza ny anarany masina hatrany hatrany ary mandrakizay."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0731