Tôbita

Toko faha-11

1 Rehefa nanakaiky an'i Kaserina , izay tanana nifanila tamin'i Ninive, ireto mpiara-dalana, dia hoy i Rafaela hoe:

2 -Fantatrao, ry Tobia, ny toe-pahasalaman'ny rainao fony isika nandao azy.

3 Ndeha isika hialoha lalana ny vadinao mba hanomankomana ny trano alohan'ny hahatongavan'i Sara sy ny olon-kafa rehetra.

4 Dia niara-nandeha hialoha lalana tokoa i Rafaela sy i Tobia. Ka nilazan'i Rafaela i Tobia mba hivonona hampiasa ny aferon-trondro. Ilay alikan'i Tobia kosa nanaraka taorian'izy ireo.

5 Tamin'izay i Hana dia nipetraka teo amoron'ny lalana izay tokony hiverenan'i Tobia ary nitazantazan-davitra.

6 Dia nahita an'i Tobia tonga izy ka nilaza tamin-drainy hoe: -Indro tonga ny zanakao lahy miaraka amin'ilay olona niara-dia taminy.

7 Alohan'ny hanatonan'i Tobia an-drainy, dia hoy i Rafaela tamin'i Tobia: -Fantatro fa hahiratra ny mason-drainao.

8 Asio ilay aferon-trondro ny masony, fa izany fanafody izany dia hiasa amin'ny pentina fotsy ary hampiendaka azy hiala teo amin'ny masony; dia hahita mazava indray ny rainao.

9 Tamin'izay i Hana no nihazakazaka niantoraka teo am-bozon'ny zanany lahy; ka sady nitomany ravehivavy no niteny taminy hoe: -Hitako indray ianao, anaka; koa afaka ny ho faty amin'izay aho.

10 I Tobita kosa nitsangana ka lasa nivoaka ilay varavaran'ny tokotany, na dia tafintohintohina aza.

11 Ary nanatona azy ny zanany lahy izay efa nitazona ny aferon-trondro teny an-tanany; dia nitsoka tamin'ny mason-drainy izy, ary namihina azy sy niteny taminy hoe: -Mahereza, ry dada! Dia nasiany an'ilay fanafody ny mason'i Tobia ary navelany hiasa izany.

12 Avy eo i Tobia nampiasa tanan-droa hampiendaka ny kiran-javatra fotsifotsy tamin'ny zoro mason-drainy.

13 Tamin'izay i Tobita dia niantoraka teo am-bozon'i Tobia, ka sady nitomany no niteny hoe: -Hitako ianao, anaka, ianao izay nampahazava ny masoko.

14 Dia nampian'i Tobita hoe: -Hankalazaina anie Andriamanitra! Hankalazaina anie ny anarany be voninahitra! Hankalazaina anie ireo anjeliny masina rehetra! Enga anie hiaro antsika hatrany ny anarany be voninahitra! Hankalazaina amin'ny taona rehetra anie ireo anjeliny masina rehetra! Nanome fitsapana ahy Izy, fa indro aho afa-mahita indray an'i Tobia zanako.

15 Faly sy nankalaza an'Andriamanitra tamim-peo avo i Tobia no niditra tao an-trano. Notantarainy tamin-drainy ny zava-drehetra: tomombana tsara ny dia, azony ny vola, ary nanambady an'i Sara zanakavavin'i Ragoela izy. Sady nampiany hoe: -Indro fa tonga ao izy, efa eo akaikin'ny vavahadin'i Ninive.

16 Faly sy nankalaza an'Andriamanitra koa i Tobita no niainga hitsena ny vinantovaviny teo am-bavahadin'i Ninive. Hitan'ireo Ninivita izy nandeha sy nivezivezy tamin'ny famindra hentitra sady tsy nisy olona nitarika, ka talanjona ny olona. Dia nambaran'i Tobita teo anatrehany fa namindran'Andriamanitra fo izy ary nampahiratiny maso indray.

17 Nony injay izy tonga teo akaikin'i Sara, vadin'i Tobia zanany, dia nitsodrano azy ka niteny hoe: -Arahaba tonga soa ianao, ry zanako vavy! Hankalazaina anie ilay Andriamanitrao fa nitondra anao ho aty aminay! Hotahina anie ny rainao, hotahina anie i Tobia zanako, ary hotahina anie ianao, ry zanako vavy! Mandrosoa ao an-tranonao, fa raisina soaaman-tsara ao ianao, mandrosoa ombam-pitahiana sy hafaliana ianao, ry zanako vavy!

18 Tamin'io andro io dia fifaliana no teo anivon'ireo Jiosy rehetra tao Ninive.

19 I Ahikara sy i Nadaba, izay samy zana-drahalahin'i Tobita, dia tonga teo aminy koa ary nifaly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0584