Tôbita

Toko faha-10

1 Isan'andro vaky kosa i Tobita dia manombantombana ny fotoana ilaina handehanana mankany Ragao sy hiverenana avy any. Rehefa tapitra izany fotoana izany, dia tsy mbola tafaverina ihany ny zanany lahy,

2 ka hoy i Tobita anakampony: "Angamba voatazona any izy? Angamba maty i Gabaela ka tsy nisy olona hanome azy ilay vola?"

3 Nanomboka nitebiteby i Tobita,

4 ary i Hana vadiny dia niteny hoe: -Maty izay ny zanako ary efa tsy anisan'ny velona intsony! Dia nanomboka nitomany sy nidradradradra ravehivavy teo am-pieritreretana an-janany, ka nanao hoe:

5 -Indrisy, anaka, inona foana no namelako anao handeha! Ianao no nampibaliaka ny masoko!

6 Hoy kosa i Tobita namaly azy: -Mangina ianao, ry vady malalako, aza manana ahiahy, fa salama tsara izy. Zavatra tsy nampoizina mihitsy no nianjady taminy. Sady ilay mpiara-dia aminy koa dia olona mahatoky, anisan'ireo mpiray firenena amintsika. Aza mitebiteby momba an'i Tobia ianao, ry vady malalako, fa efa ho tonga izy.

7 Fa hoy i Hana hoe: -Aza miteny amiko intsony ianao, ary aza mandainga amiko. Maty ny zanako! Isan'andro i Hana dia dodona mivoaka ny trano mba hitazantazana ny lalana izay niaingan'i Tobia, satria tsy nisy olona nitokiany intsony. Rehefa nilentika ny masoandro, vao izay izy no miditra an-trano ka nidradradradra sy nitomany mandritra ny alina manontolo sady tsy nahita tory.

8 Rehefa tapitra ny 14 andro nianianan'i Ragoela hatokana ho an'ny fampakarana ny zanany vavy, dia lasa i Tobia nilaza tamin'ny rafozan-dahiny hoe: -Mba avelao aho handeha! Fantatro manko fa tsy matoky ny hahita ahy intsony ny ray aman-dreniko. Koa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko. Efa nampahafantariko anao ny toe-pahasalamany fony izy nilaozako.

9 Hoy kosa i Ragoela tamin'i Tobia: -Mijanona re, anaka, mijanona eto amiko, fa handefasako iraka i Tobita rainao mba hampahafantatra azy ny momba anao. Fa novalian'i Tobia hoe: -Tsy izany akory, fa miangavy anao aho mba hamela ahy hiverina any amin-draiko.

10 Teo no ho eo dia natolotr'i Ragoela tamin'i Tobia i Sara vadiny ary nomeny azy koa ny antsasak'izay rehetra nananany: dia mpanompolahy sy mpanompovavy, omby sy ondry ary boriky sy rameva, akanjo sy fanaka isan-karazany ary vola.

11 Navelan'i Ragoela handeha soa aman-tsara izy rehetra, ary nataony veloma i Tobia ka nilazany hoe: -Salama tsara ianao, anaka; ary soavadia. Ilay TOMPOn'ny lanitra anie hanambina anao sy i Sara vadinao amin'ny dia! Ary enga anie aho hahita ny zanakareo alohan'ny hahafatesako!

12 Avy eo i Ragoela dia niteny tamin'i Sara zanany vavy hoe: -Aoka ianao handeha any amin'ny rafozan-dahinao! Aminao, manomboka izao, ny ray aman-drenin'ny vadinao dia ho toy ny ray aman-dreninao koa. Anaka, mandehana ombam-piadanana; ary enga anie zavatra tsara no ho reko momba anao, raha mbola velona koa aho. Dia nataon'i Ragoela veloma izy roa kely ary navelany handeha.

13 I Edna kosa niteny tamin'i Tobia hoe: -Ry zanako mamiko sy lalaiko, ny TOMPO anie homba anao amin'izao fodianao izao! Enga anie ny tenako mba ho ela velona ihany ka ho afaka hahita ny zanakareo sy Sara, alohan'ny hahafatesako! Vavolombelona miatrika ahy ny TOMPO, ka ankiniko aminao ity zanako vavy ity mba ho karakarainao; enga anie tsy hisy hampalahelovanao azy amin'ny androm-piainanao rehetra! Anaka, mandehana ombam-piadanana. Manomboka izao, ry Tobia, dia reninao aho ary vady malalanao i Sara; enga anie isika rehetra hambinin-tsoa amin'ny andro rehetra iainantsika! Dia norohan'i Edna izy roa kely ary navelany handeha samy finaritra tokoa.

14 Toy izany no nandaozan'i Tobia an'i Ragoela. Finaritra sy faly tokoa i Tobia tamin'izay sady nankalaza an'ilay TOMPOn'ny tany aman-danitra sy Mpanjakan'izao tontolo izao noho ny nanambinany ny diany. Dia mbola niteny tamin'i Tobia indray i Ragoela nanao hoe: -Enga anie ianao hambinin-tsoa manaja ny ray aman-dreninao amin'ny andro rehetra iainany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2123