Tôbita

Toko voalohany

1 Izao no tantaran'i Tobita, zanakalahin'i Tobiela sy zafin'i Hananiela sy zafiafin'i Adoela ary zafin-dohalik'i Gabaela; samy avy amin'ny tarik'i Asiela izy ireo sady anisan'ny fokon'i Naftaly.

2 Nonina tao amin'ny zaratanin'i Naftaly any Galilea ampatrana i Tobita, dia tao an-tananan'i Tisba, teo anelanelan'i Kedesa tao avaratra sy i Hatsora tao andrefana ary i Fogora tao atsimo; avy tao Tisba izy no nentina ho babo nankany Asiria tamin'ny andron'i Salmanatsara mpanjakan'io tany io.

3 Izaho Tobita dia nizotra nitandro ny rariny sy nanao asa soa nandritra ny andro rehetra niainako; nahavita fiantrana betsaka aho tamin'ireo havako sy mpiray firenena amiko, izay voababo niaraka tamiko teto Ninive, tao amin'ny tanin'ny Asirianina.

4 Fony aho tanora ka mbola nipetraka tao amin'ny faritra nisy ahy teo amin'ny tanin'i Israely, dia nisaraka manontolo tamin'ny taranak'i Davida sy tamin'i Jerosalema ny fokon'i Naftaly razambeko. Kanefa io Jerosalema io no tanana voafidin'Andriamanitra teo anivon'ireo fokon'i Israely rehetra mba ho fanoloran'ny Israelita sorona. Tao nonanorenana sy nanokanana ny tempolin'Andriamanitra ho an'ny taranaka rehetra ho avy.

5 Ny havako rehetra sy ny fokon'i Naftaly razambeko dia teny amin'ny tendrombohitr'i Galilea rehetra teny no nanolotra sorona tamin'ilay ombilahikely volamena izay tao Dana no nataon'i Jerobohama mpanjakan'i Israely.

6 Izaho kosa matetika dia nandeha samirery tany Jerosalema tamin'ireo andro fety, araka izay voasoratra ho fitsipika raikitra ho an'i Israely manontolo. Nidodododo nankany Jerosalema aho nitondra ny voaloham-bokatra sy ny voalohan-teraky ny biby fiompiko ary ny volon'ondry tamin'ny fanetezana azy voalohany.

7 Nomeko ny mpisorona taranak'i Aharona izany mba ho entiny eo amin'ny alitara fisoronana. Nanefako fahafolon-karena koa ny vary, ny divay, ny oliva, ny ampongabendanitra, ny aviavy ary ny voankazo hafa rehetra ka nomeko ny levita izay nanao fanompoana tao Jerosalema. Namidiko ny ampahafolony fanindroany tamin'ny fananako, araka ny fanao mandritra ny enina taona ao anatin'ny fito, ary nolaniko isan-taona tany Jerosalema ny vola azo.

8 Ary ny ampahafolony fanintelony tamin'ny fananako dia nomeko ny kamboty sy ny mpitondratena ary ny vahiny izay nanaraka ny fivavahana jiosy ka niara-nonina tamin'ny Israelita; isan-telo taona no nentiko sy nomeko azy izany ka niarahanay nihinana araka ny fitsipika voalazan'ny lalanan'i Mosesy momba izany sy araka ny fampianaran'i Debora renin'i Hananiela raibenay; ny raiko manko, nony maty, dia namela ahy ho kamboty.

9 Ka rehefa tonga olon-dehibe aho, dia nanambady vehivavy anankiray anisan'ny taranaky ny razambenay; ary niteraka zazalahy taminy aho ka Tobia no anarana niantsoako azy.

10 Rehefa nentina ho babo taty Asiria aho, dia tonga tao Ninive. Tao amin'io tanana io, ireo havako rehetra sy ireo mpiray tanindrazana amiko dia nihinana ny sakafon'ny mpanompo sampy,

11 fa izaho kosa nitandrin-tena mba tsy hihinana ireny sakafo ireny.

12 Ny aiko manontolo no nahatsiarovako an'ilay Andriamanitro,

13 ka izany no nahatonga ahy hahazo fitia tamin'i Salmana tsara mpanjaka. Dia izaho no nampividianany ny zavatra rehetra nilainy;

14 izaho no mpandeha tany Media nividy entana ho azy mandra-pahafatiny. Koa, indray maka, dia nisy volafotsy telonjato kilao napetrako tamin'i Gabaela rahalahin'i Gabry.

15 Rehefa maty i Salmanatsara mpanjaka, dia i Saneheriba zanany lahy no nandimby azy. Niova ho tsy azo antoka ireo lalan'i Media tamin'izay, ka tsy afaka nankany intsony aho.

16 Tamin'ny andron'i Salmana tsara no efa nanome vola matetika an'ireo havako mpiray tanindrazana amiko aho.

17 Nizarako ny mofoko ireo noana aho ary nomeko akanjo ireo tsy nitafy. Raha nisy fatin'olona anankiray mpiray firenena amiko natsipy tao ivelan'ny mandan'i Ninive ka sendra hitako, dia naleviko izany.

18 Naleviko ihany koa ireo novonoin'i Saneheriba ho faty. Tany Jodea manko io mpanjaka io dia naniratsira an'ilay Andriamanitra mpanjakan'ny lanitra; ka ho famaizana azy no naneren'Andriamanitra azy hiala faingana tamin'io tany io. Saingy, rehefa tafaverina tao Ninive izy, dia nentanim-pahatezerana ka namono nahafaty Israelita maro. Dia izaho no nitondra an-tsokosoko ny fatin'ireo, ka nandevina azy. Nasain'i Saneheriba nokarohina ireny faty ireny, fa tsy nety hita.

19 Nisy olona anankiray mponin'i Ninive nandeha nampandre ny mpanjaka fa izaho no nandevina ireo faty ireo, hany ka voatery niafina aho. Nony fantatro kosa fa nahalalany momba ahy ny mpanjaka, ary nampitady ahy mba hovonoiny ho faty, dia natahotra aho ka nandositra.

20 Norobaina avokoa ny fananako rehetra ka tsy nisy napetraka ho ahy fa nanatevenana ny tahirin'ny mpanjaka; i Hana vadiko sy i Tobia zanako lahy no hany tavela ho ahy.

21 Tsy ampy efapolo andro taorian'izany, dia novonoin'ireo zanany roa lahy ho faty ny mpanjaka; avy eo izy roalahy no nandositra tany amin'ny tendrombohitra Ararata. Dia i Asaradona, anankiray hafa tamin'ireo zanakalahin'i Saneheriba, no tonga mpanjaka nandimby azy. I Ahikara, zanakalahin'i Anaela rahalahiko, no nampiandraiketin'i Asaradona ny fitondrana manontolo sy ny fitantanana ara-bola tao amin'ny fanjakany.

22 Io Ahikara io no nitaky rariny momba ahy, ka afaka niverina tao Ninive aho. Nandritra ny nanjakan'i Asaradona manko dia i Ahikara no mpandroso divay sy mpitana ny tombokasem-panjakana ary lehiben'ny fitondram-panjakana mbamin'ny fitantanam-bola tao Asiria. Izy no mbola voatanan'i Asaradona hanohy ny andraikiny. Ankoatra izany i Ahikara dia anisan'ny fianakaviako, satria zana-drahalahiko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588