Salamo
Toko faha-99 (98)
1 Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny seza fiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.2 Lehibe ao Tsiona ny TOMPO, avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.
3 Aoka ireo hidera ny anaranao izay lehibe sy mampitolagaga, satria masina tokoa Ianao!
4 Ry mpanjaka mahery sy tia rariny o, Ianao no nampiorina ny hitsiny sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana teo amin'ny taranak'i Jakoba.
5 Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; Izy no masina ka iankohofy eo anoloan'ny fitoeran-tongony.
6 I Mosesy sy i Aharona tamin'ireo mpisorony ary i Samoela tamin'ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.
7 Tao anaty andry rahona ny Tompo no niteny tamin'ny vahoakany; dia nankatoavin'ireo ny baikony mbamin'ny fitsipika nomeny azy.
8 TOMPO Andriamanitray o, Ianao mihitsy no mamaly azy; fa Andriamanitra nahari-po taminy Ianao, nefa kosa nanafay azy noho ny ratsy nataony.
9 Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.