Salamo
Toko faha-98 (97)
1 Salamo nataon'i Davida. Mihira hira vao ho an'ny TOMPO fa nahavita zava-mahagaga Izy! Ny hery sy ny fahefana ananany no nampiasainy hahazoam-pandresena.2 Dia nampahafantarin'ny TOMPO izany fandresena izany; teo anatrehan'ireo firenena no nanehoany fa mpanafaka Izy:
3 Tsy nohadinoin'ny Tompo, ry terak'i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan'ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.
4 Mihobia ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo; ataovy manakoako ny horakora-pifaliana mbamin'ny feon'ireo zava-maneno.
5 Mankalaza ny TOMPO amim-baliha sy feon-kira;
6 Mihobia ilay TOMPO Mpanjaka amin'ny trompetra sy feon'anjomara.
7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny ary aoka hiredona hira ny tany sy ny mponina ao aminy!
8 Aoka hiteha-tanana ny ony ary aoka ny tendrombohitra hihoby
9 mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.