Salamo
Toko faha-97 (96)
1 Ny TOMPO no mpanjaka: miravoa, ry tany tontolo; mifalia, ry mponina amin'ny nosy maro.2 Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy; rariny sy hitsiny no iorenan'ny fanjakany.
3 Misy afo mandeha mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.
4 Mahazava izao tontolo izao ny tselany; mahita izany ny tany ka dia mangovitra.
5 Miempo toy ny savoka ny tendrombohitra eo anoloan'ilay TOMPOn'ny tany tontolo;
6 manambara ny fahamarinany ny lanitra ary mahita ny voninahiny ny firenen-drehetra.
7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy sy mirehareha amin'ny zavatra tsinontsinona! Aoka hiankohoka eo anoloan'ny Tompo ianareo andriamanitra rehetra!
8 Mandre izany i Tsiona ka miravo; ireo tananan'i Joda mifaly noho ny fifehezanao, TOMPO o,
9 satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany sady ambonin'ireo andriamanitra rehetra.
10 Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahala ny ratsy fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
11 Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina, ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.
12 Mifalia ao amin'ny TOMPO, ianareo olo-marina; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.