Salamo
Toko faha-96 (95)
1 Mihira hira vao ho an'ny TOMPO. Mihira ho AZY, ry mponin'ny tany tontolo.2 Mihira ho an'ny TOMPO, misaora ny anarany; torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.
3 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.
4 Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.
5 Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny Tompo kosa no nanao ny lanitra.
6 Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.
7 Ianareo fianakaviamben'ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
8 Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondra fanatitra ka midira eo an-kianjan'ny tempoly;
9 dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Mangovita eo anoloany, ry mponin'ny tany tontolo.
10 Lazao amin'ny olona hoe: "Ny TOMPO no mpanjaka! Voaorina mafy izao rehetra izao ka tsy hihontsona; ho fehezin'ny Tompo araka ny hitsiny ny vahoaka."
11 Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany, aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,
12 aoka hibita-kafaliana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy aoka ny hazo rehetra any an'ala hihoby
13 mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.