Salamo
Toko faha-95 (94)
1 Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO, hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!2 Aoka hankeo anatrehany amim-piderana, hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!
3 Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO, Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.
4 Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany, ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;
5 Azy ny ranomasina fa nataony, Azy koa ny tanety fa novolavolainy.
6 Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anatrehan'ny TOMPO Mpanao antsika!
7 Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa vahoaka fiandriny, andian'ondry tarihiny. Koa enga anie ianareo anio mba hahahaino ny feony manao hoe:
8 "Aza manamafy ny fonareo tahaka ny nataon'ny razanareo tao Meriba tamin'ny zava-nitranga tao Masa , tany an-taniefitra.
9 Fa nihantsy sy nitsapa Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asa nataoko aza.
10 Efapolo taona no nahatofoka ahy izany taranaka izany, ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo, ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.
11 Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe: Tsy hidiran'ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko."