Salamo
Toko faha-94 (93)
1 TOMPO Andriamanitra mpamaly ny natao o, ry Andriamanitra mpamaly ny natao o, mba misehoa!2 Ry ilay mpitsara ny mponin'ny tany o, mirotsaha an-tsehatra Ianao; izay nataon'ny mpiavonavona ihany no amalio azy.
3 TOMPO o, mandra-pahoviana no hifalifalian'ny olon-dratsy, eny, mandra-pahoviana?
4 Fa mirehaka izy sady miteniteny foana; mizahozaho ireo mpanao ratsy rehetra ireo.
5 Ny vahoakanao, TOMPO o, ampahoriny; ireo voatokana ho Anao ampijaliny.
6 Ny mpitondratena sy ny kamboty vonoiny ho faty, ny valovotaka eto amin'ny taninao ataony afaka aina.
7 Fa hoy izy hoe: "Tsy mahita akory ny Tompo; tsy mahalala velively ny Andriamanitr'i Jakoba !"
8 Ry olona ketrina indrindra, mitandrema! Ry adala, rahoviana vao handinika ianareo?
9 Ny TOMPO Izay nanao ny sofina ve tsy handre? Izy namorona ny maso indray no tsy hahita?
10 Ilay mpanitsy ny firenena ve tsy hanafay? Izy mpampianatra ny olona indray no heverina ho tsy manam-pahalalana?
11 Fantatry ny TOMPO ny fikasan'ny olona, eny, fantany fa tsinontsinona ireny.
12 Sambatra ny olona anarinao, TOMPO o, ka ampianarinao amin'ny lalananao!
13 Ataonao miadana amin'ny andro mahory izy, nefa ny olon-dratsy ihadiana longoa.
14 Fa tsy manary ny vahoakany ny TOMPO na mandalo an'ireo voatokana ho Azy:
15 hanjary ara-drariny indray ny fitsarana ka hiandanian'ny mahitsy fo rehetra.
16 Iza ary no hitsangana hiaro ahy amin'ny mpanao ratsy? Iza no hiady ho ahy amin'ny ataon'ireo mpanao heloka?
17 Raha tsy ny TOMPO no namonjy ahy, dia efa saika lasana mihitsy aho ho any amin'ny toera-manginan'ny maty.
18 Fa isaky ny niteny aho hoe: "Mangozohozo ny tongotro!", dia ny fitiavanao, TOMPO o, no nanohana ahy hatrany.
19 Rehefa feno fanahiana tao anatiko aho, dia nampionona sy nampifaly ahy Ianao.
20 Ianao ve dia hiray tsikombakomba amin'ireo mpitsara tsy marina izay mamoron-tsazy tsy ara-dalana?
21 Mikaon-doha hahafaty ny olo-marina ireo sady manameloka ny tsy manan-tsiny.
22 Saingy ny TOMPO no manda mafy ho ahy, Ilay Andriamanitro no vatolampy fialofako.
23 Hatsingeriny amin'ireo ihany ny helo ka nataony ary ny faharatsiany ihany no handringanany azy; eny, ny TOMPO Andriamanitsika no handringana azy.