Salamo
Toko faha-92 (91)
1 Salamo. Tononkira fanao amin'ny andro sabata.2 Tsara ny midera Anao, TOMPO o, sy ny mankalaza Anao an-kira, ry ilay Andriamanitra Avo Indrindra,
3 ka manambara ny fitiavanao raha vao maraina ary ny fahamarinanao mandritra ny alina,
4 amin'ny valiha torifolosy amin'ny feon-dokanga.
5 Mahafaly ahy ny asanao, TOMPO o, ary manao horakora-pihobiana aho manoloana ireo zavatra vitanao.
6 Lehibe tokoa izay nataonao, TOMPO o, ary lalina aoka izany ny fisainanao!
7 Ny ketrina no tsy mahalala izany ary ny adala no tsy mahatsapa.
8 Na manorobona toy ny ahitra aza ny olon-dratsy ka mamony avokoa ny mpanao ny tsy rariny, dia ny mba haringana mandrakizay.
9 Ianao, TOMPO o, no ambony indrindra ka mitoetra ho mandrakizay!
10 Ireo fahavalonao kosa, TOMPO o, eny, ireo fahavalonao dia ho levona ireo mpanao tsy an-drariny hiparitaka avokoa.
11 Nomenao ahy ny tanjaky ny ombimanga, nandrarahanao menaka mbola vao aho.
12 Hitako ny faharesen'ireo mpifanandrina amiko, ary reko ny fikaikaikan'ireo mpisetrasetra ahy.
13 Fa ny olo-marina kosa hamololona toy ny rofia, hisandrahaka toy ny sederan'i Libano:
14 Toy ny hazo ambolena eo an-tokotanin'ny tempoly izy ka mivelatra eo an-kianjan'ny TOMPO Andriamanitsika;
15 sady, na antitra aza, dia mamoa hatrany ary mbola maitso sy milenodenoka;
16 izany no porofo fa mahitsy ny TOMPO, ary tsy misy olakolaka ao amin'ilay Mpiaro ahy.