Salamo
Toko faha-91 (90)
1 Izay mipetraka ao amin'ny fialofan'ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan'Andriamanitra Tsitoha,2 ka tokony hiteny amin'ny TOMPO izy hoe: "Ianao no manda fiarovana ho ahy; Ianao no Andriamanitro ka itokiako."
3 -Ny TOMPO mihitsy no hanafaka anao amin'ny fandrika mivelatra sy areti-mandringana.
4 Harovany amin'ny elany ianao; eo ambany elany no hialofanao tahaka ny zanak'akoho eo ambany ela-dreniny. Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,
5 ka tsy misy zavatra atahoranao akory: na ny loza mampihorohoro amin'ny alina, na ny zana-tsipika manidina amin'ny antoandro,
6 na ny areti-mandringana misoko amin'ny haizina, na ny voina mandripaka amin'ny mitataovovonana.
7 Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao ary na 10000 aza miampatra eo ankavananao, dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.
8 Ahirato fotsiny ny masonao, dia ho hitanao ny famalian'Andriamanitra ny olon-dratsy.
9 Ny TOMPO mihitsy no fialofana ho anao sady ny Avo Indrindra no nataonao fonenana;
10 ka tsy hisy loza hianjady aminao na antambo hanakaiky ny tranonao.
11 Fa ny TOMPO handidy ny anjeliny hiahy anao mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;
12 ho entin'ireo eny an-tanany ianao mba tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.
13 Hodiavinao ny liona sy ny menarana ho hitsahinao ny tigra sy ny dragona.
14 Hoy ny TOMPO hoe: "Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko; harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.
15 Raha miantso vonjy amiko izy, dia ho valiako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.
16 Hataoko ela velona tokoa izy ary hanehoako ny famonjeko."