Salamo

Toko faha-90 (89)

1 Vavak'i Mosesy, olon'Andriamanitra. Tompo o, fialofanay hatrany hatrany Ianao.

2 Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.

3 Averinao ho vovoka ny olona ka ilazanao hoe: "Miverena amin'izay niavianareo, rey olombelona."

4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny andro omaly efa lasanana ora vitsivitsy amin'ny alina.

5 Farananao ny fiainan'ny olona ka mihelina toa torimaso maraina; tahaka ny ahitra maniry izy,

6 ka mamony sy mandrobona nony maraina, fa malazo sy maina nony hariva.

7 Lanin'ny fahatezeranao izahay ary tonafan'ny fahaviniranao.

8 Napetrakao eo anatrehanao ny helokay; na ny fahotanay miafina aza dia hitanao mazava.

9 Noho ny haviniranao dia lasanao ny androm-piainanay, ka indray misento monja dia nifarana ny taonanay.

10 Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an'izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin'ny varo-tsy mifody izahay.

11 Iza no mahalala ny herin'ny fahatezeranao ary hanaja Anao araka ny fahaviniranao?

12 Ampahafantaro anay fa voaisa ny andronay mba hahatonga anay hanana fisainana hendry.

13 TOMPO o, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay? Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.

14 Fenoy ny fitiavanao izahay raha vao maraina, dia hihoby sy hifaly amin'ny andro sisa iainanay.

15 Aoka hampifalinao izahay araka ny andro nampahorinao anay sy araka ny taona nahitanay loza!

16 Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso ary ny voninahitrao ho tsapan'ny taranakay!

17 Ry TOMPO Andriamanitray o, aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao ka ampahombiazo ny asan'ny tananay; eny, ampahombiazo ny asan'ny tananay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0881