Salamo

Toko faha-9

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina araka ny feon'ny hoe "Ny fahafatesan-janaka." Salamo nataon'i Davida.

2 Hidera Anao amin'ny foko manontolo aho, TOMPO o, ka hitantara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.

3 Ho faly sy ravo aminao aho, ry Avo Indrindra o, ary hankalaza ny anaranao amin'ny zava-maneno.

4 Miverina ilalana ireo fahavaloko; lavo izy ka ringana teo anoloanao.

5 Eo ambonin'ilay sezafiandriananao no ipetrahanao ho Mpitsara marina; ka niaro ny zoko Ianao ary nanome rariny ahy.

6 Norahonanao ny hafa firenena ary naringanao ny olon-dratsy; nokosehinao ny fahatsiarovana azy mba ho levona mandrakizay.

7 Nifarana hatreo ny amin'ny fahavalonay, satria rava tanteraka izy; efa narodanao ireo tananany, ka tsy hotsarovana intsony.

8 Injay ny TOMPO Izay maharitra mandrakizay: mametraka ny sezafiandrianana hitsarany Izy,

9 ka hitsara izao tontolo izao araka ny rariny sy hanapaka ny firenena araka ny hitsiny.

10 Ny TOMPO no fialofana ho an'ny ampahorina, eny, fialofana amin'ny andro mahory.

11 Aoka hiantehitra aminao ireo mahalala tsara Anao, satria Ianao tsy mba mandao izay mitady Anao, TOMPO o!

12 Ankalazao amin'ny zava-manenony TOMPO Izay monina ao Tsiona, ary ambarao amin'ireo firenenany zava-mahatalanjona nataony;

13 satria mikaroka ny mpamono olona Izy sady mahatsiaro ireo voavono ho faty sy ny fitarainan'ireo mahantra.

14 Iantrao aho, TOMPO o, ka jereo ny fahoriako, noho ny afitsoky ny mpankahala ahy; Ianao no misintona ahy ho afaka amin'ny hasomparan'ny fahafatesana.

15 Amin'izay dia ho tanisaiko avokoa ireo anton-javatra iderako Anao; ao an-tananan'i Tsiona no hiravoako, satria Mpamonjy ahy tokoa Ianao.

16 Ny lavaka izay nohadiny ihany no nianjeran'ireo hafa firenena; ny fandrika harato nafeniny ihany no nahavoasingotra ny tongony.

17 Nampahafantatra ny tena ny ny TOMPO fony Izy namoaka ny didim-pitsarany: ny fandrika nataon'ny olon-dratsy no indro nahavoa azy ireo.

18 Any amin'ny toeran'ny maty no aoka hiverenan'ny ratsy fanahy, dia ireo tsy mpivavaka rehetra izay mpanadino an'Andriamanitra!

19 Andriamanitra kosa tsy hanadinona oviana na oviana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ireo mahantra.

20 Mirotsaha an-tsehatra re, TOMPO o, aza avela hahery noho Ianao ny olona. Enga anie ireo hafa firenena hotsaraina eo anatrehanao!

21 TOMPO o, ampitahory ireo: aoka ho fantatry ny hafa firenena fa olombelona fotsiny ihany anie izy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591