Salamo
Toko faha-88 (87)
1 Tononkira. Salamo nataon'ny terak'i Kora. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. hohiraina amin'ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin'i Hemana zanakalahin'i Zera.2 Ry TOMPO Andriamanitra mpamonjiko o, miantso vonjy aminao aho na andro na alina.
3 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavako; atongilano ny sofinao hihaino ny tarainako.
4 Eny, tofoky ny fahoriana aho, ary efa ambavahaona ny aiko.
5 Heverina ho isan'ireo afaka aina izay efa midina mankany am-pasana aho sady tahaka ny olona tsy manan-kery intsony.
6 Any amin'ny maty no anjara toerako toy ireo faty mitsitra ao am-pasana, izay tsy tsaroanao intsony sady tsy omban'ny fiarovanao.
7 Napetrakao any am-paran'ny lavaka aho, any amin'ny haizina tsy hita noanoa.
8 Nanindry mafy ahy ny fahatezeranao toy ny onjan-drano nanotofanao ahy.
9 Nampanalavirinao ahy ireo namako; izaho dia nataonao nankaloiloy azy. Voahidy tao amin'ny fahoriako aho, ka tsy tafavoaka intsony.
10 Jembin'ny alahelo ny masoko. TOMPO o, miantso vonjy aminao isan'andro aho ka manandra-tanana hivavaka aminao.
11 Hanao zava-mahagaga ho an'ny maty ve Ianao? Hitsangana indray ve ireny mba hidera Anao?
12 Ny fitiavanao ve hotantaraina any amin'ny maty ary ny fahamarinanao ho visavisaina any amin'ny toeram-pahaverezana?
13 Ny zava-mahagaga vitanao ve ho fantatra any amin'ny haizina? Ary ny fitandroanao ny rariny ve ho fantatra any amin'ny tany fanadinoana?
14 Izaho kosa, TOMPO o, miantso vonjy aminao; vao maraina dia efa eo anatrehanao ny tarainako:
15 TOMPO o, nahoana no nanary ahy Ianao ka tsy mety mijery ahy akory?
16 Hatramin'ny fahazazako dia nahantra saika maty aho ary very hevitra dia very hevitra itambesaran'ny fampihorohoroanao.
17 Safotry ny fahatezeranao aho ary reraky fampitahoranao;
18 toy ny rano nandifotra ahy isan'andro ireny ka indray nanemitra ahy hatraiza hatraiza.
19 Nampanalavirinao ahy ireo sakaizako ka ny haizina sisa no hany namako.