Salamo
Toko faha-87 (86)
1 Salamo nataon'ny terak'i Kora. Tononkira. Teo an-tendrombohitra masina no nanorenan'ny TOMPO an'i Jerosalema.2 Tiany tokoa ny tananan'i Tsiona mihoatra noho ny toerana rehetra izay nonenan'ireo taranak'i Jakoba.
3 Ry ilay tananan'Andriamanitra o, zava-malaza no ambarany momba anao:
4 "Eo anatrehan'ireo mpahalala Ahy, hoy Izy, no hotsarovako fa ny Ejiptianina sy ny Babilonianina mbamin'ny Filistinina sy ny Tirianina ary ny Etiopianina dia samy teraka tany amin'ny taniny avy.
5 Izao kosa no ho lazaiko momba an'i Tsiona: Ny olona tsirairay dia samy teraka tao; Ilay Avo Indrindra mihitsy no manamafy orina azy."
6 Ny TOMPO manao lisitra ireo firenena ka manoratra ny isam-batan'olona hoe: "Ity dia teraka tao Tsiona."
7 Ireo kosa mandihy sy mihira hoe: "Ao Tsiona no loharano ipoiran'ny fitahiana rehetra ho anay."