Salamo

Toko faha-86 (85)

1 Vavaka nataon'i Davida. TOMPO o, mba atongilano ny sofinao ka valio aho fa ory sy mahantra.

2 Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho. Mpanomponao aho ka matoky Anao, vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.

3 TOMPO o, mba iantrao aho fa miantso Anao tontolo andro.

4 Ampifalio re aho mpanomponao satria Ianao, Tompo o, no ifantohako.

5 TOMPO o, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka, be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.

6 Mba henoy, TOMPO o, ny vavaka ataoko; ka ho tandrinao anie ny fitarainako.

7 Amin'ny androm-pahoriako, Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8 TOMPO o, tsy misy tahaka Anao amin'ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.

9 Ianao no namorona ny firenen-drehetra, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy ary hanome voninahitra Anao, Tompo o ,

10 fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga; Ianao ihany no tena Andriamanitra.

11 TOMPO o, toroy ny lalanao aho mba handehanako araka ny fahamarinanao, ataovy tokam-po aho mba hankato Anao.

12 TOMPO Andriamanitro o, ho deraiko amin'ny foko manontolo Ianao ary homeko voninahitra mandrakizay,

13 satria lehibe ny fitiavanao ahy; fa izaho no efa nafahanao tsy ho lasa any an-davaka, any amin'ny toeran'ny maty any.

14 Olona mpiavonavona no mitsangan-kamely ahy andian'olon-dozabe no mitady hahafaty ahy; Ianao, Andriamanitra o, tsy raharahainy akory.

15 Kanefa Ianao, TOMPO o, dia Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana.

16 Mba itodiho aho ka iantrao; omeo ahy mpanomponao ny herinao, ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao.

17 Omeo porofo aho fa tsara fo Ianao; dia ho menatra ireo mpankahala ahy, rehefa mahita fa Ianao, TOMPO o,no mamonjy sy mampionona ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1355