Salamo

Toko faha-85 (84)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'ny terak'i Kora.

2 TOMPO o, nanehoanao fitia ilay taninao ka nampodinao ny babo tamin'ny terak'i Jakoba.

3 Nesorinao ny heloky ny vahoakanao ary navelanao avokoa ny fahotany.

4 Nofoananao manontolo ny fahatezeranao ka nialanao ny fahaviniranao mirehitra.

5 Andriamanitra mpamonjy anay o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay, ka atsaharo ny loniloninao aminay.

6 Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao ka hampaharitra ny fahaviniranao amin'ny taranaka mifandimby?

7 Tsy ho velominao indray ve izahay mba hifalianay vahoakanao aminao?

8 TOMPO o, asehoy anay ny fitiavanao ka omeo anay ny famonjenao.

9 Te hihaino izay lazain'Andriamanitra TOMPO aho. Fiadanana tokoa no ampanantenainy ho an'ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy, raha tsy miverina amin'ny hadalany intsony ireo.

10 Eny, akaiky an'izay manaja Azy ny famonjeny; hitoetra eto amin'ity tanintsika ity ny voninahiny.

11 Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.

12 Mitrebona avy amin'ny tany ny fahamarinana ary midina avy any an-danitra ny rariny.

13 Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;

14 ary handeha eo alohany ny rariny ka hanoritra ny lalan-kodiaviny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563