Salamo

Toko faha-84 (83)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'ny terak'i Kora.

2 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, endrey ny fitiavako ny tranonao!

3 Efa tsindrian-daona sady manina aho te ho ao an-kianjan'ny tempolinao. Ny tenako iray manontolo no mihoby an'ilay Andriamanitra velona.

4 Na ny tsikirity aza, mahita fialofana, ny sidintsidina koa mahita akany mba hametrahany ny zanany, eo anilan'ny alitaranao, ry TOMPOn'izao rehetra izao o, Mpanjakako sady Andriamanitro.

5 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao ka afaka midera Anao hatrany!

6 Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao ka manampo hanao fivahiniana any Tsiona;

7 Rehefa mandalo ny lohasahan'ny Balsama izy, dia hasian'Andriamanitra loharano izany; sady avy koa ny loha orana hameno kamory azy.

8 Mitombo hery hatrany izy arakaraka ny andro soa ny mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ao Tsiona.

9 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba henoy ny vavaka ataoko; ry Andriamanitr'i Jakoba o, mandrenesa.

10 Andriamanitra o, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.

11 Ny indray andro eo an-kianjan'ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran'ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro o, toy izay hitoetra ao amin'ny fonenan'ny olon-dratsy.

12 Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen'ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin'izay madio fitondrantena.

13 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, sambatra ny olona mitoky aminao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0592