Salamo
Toko faha-83 (82)
1 Tononkira. Salamo nataon'i Asafa.2 Andriamanitra o, aza mangina Ianao, aza mihenahena sy mijanom-potsiny.
3 Indreo misafoaka ny fahavalonao ary miandranandrana ny mpankahala Anao.
4 Mikotrika fiokoana hamelezana ny vahoakanao ireo ary mifandinika hanohitra ny olona arovanao.
5 Hoy ireo hoe: "Andeha holevonintsika tsy ho firenena izy; dia tsy hotsarovana intsony ny anarana hoe Israely."
6 Efa niray tetika tokoa ireo ka nifanaiky hanohitra Anao:
7 dia ny Edomita sy ny Jismahelita, mbamin'ny Moabita sy ny Hagirita,
8 ny Gebalita sy ny Hamonita sy ny Hamalekita, ary ny Filistinina miaraka amin'ny mponina any Tiro ;
9 nikambana taminy koa ny Asirianina mba hifarimbona amin'ny taranak'i Lota.
10 Andriamanitra o, ataovy tahaka an'i Sisera ireo, ataovy tahaka an'i Sisera sy i Jabina teo amin'ny renirano Kisona , na ataovy tahaka ny Midianita
11 izay naringana tao Haina-Haroda ka nanjary zeziky ny tanimboly;
12 ataovy tahaka an'i Horeba sy i Zeeba ny andriandahiny ary tahaka an'i Zeba sy i Tsalmona ny lehibeny rehetra ,
13 dia ireo olona nilaza hoe: "Andeha halaina ho antsika ilay fonenan'Andriamanitra."
14 Andriamanitro o, ataovy fanina izy tahaka ny vovoka atambolin'ny tadio na tahaka ny akofa paohin'ny rivotra.
15 Toy ny afo mandoro ala, toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra
16 no anenjeho azy amin'ny tafio-drivotrao sy ampitahory azy amin'ny rambon-danitrao.
17 Sarony henatra ny tavany mba hitadiavany Anao, TOMPO o.
18 Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin'ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!
19 Ary aoka ho fantany fa Ianao ihany no TOMPO, ilay Avo Indrindra, eto ambonin'ny tany tontolo!