Salamo

Toko faha-82 (81)

1 Salamo nataon'i Asafa. Mijoro eo anivon'ny fivoriam-be Andriamanitra; eo afovoan'ireo andriamanitra Izy no mitsara ka miteny hoe:

2 "Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsara-mitanila ka hanafahanareo foana ny olon-dratsy?

3 Omeo hitsiny ny mahantra sy ny kamboty, omeo rariny ny ory sy ny fadiranovana;

4 vonjeo ny mahantra sy ny malahelo, ka afaho tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.

5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina velively ianareo; ao anatin'ny haizim-paharatsiana no iraparapanareo, ka voahozongozona avokoa ny fanorenan'ny tany.

6 Andriamanitra ianareo , hoy Aho fahiny; ankohonan'ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.

7 Kanefa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo, samy hiongana tahaka ireny manampahefana ireny."

8 Andriamanitra o, mijoroa hitsara ny tany fa Ianao no tompon'ny firenen-drehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0737