Salamo

Toko faha-81 (80)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Asafa.

2 Manaova hobim-pifaliana ho an'Andriamanitra herintsika, ankalazao ny Andriamanitr'i Jakoba.

3 Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin'ny valiha.

4 Amin'ny tsinam-bolana sy volam-penomanana, tsofy ny trompetra ho an'ny andro fetintsika ,

5 satria lalana ho an'ny Israelita izany, didin'ny Andriamanitr'i Jakoba,

6 fitsipika nataony ho an'ny taranak'i Josefa fony Izy namely an'i Ejipta. -Feo tsy fantatro no reko nanao hoe:

7 "Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.

8 Fony noporetina ianareo, dia niantso Ahy ka nafahako; novaliako tao anaty kotrokorana ianareo ary nozahako toetra teo amin'ny ranon'i Meriba.

9 Ry vahoakako, mihainoa fa mampitandrina Aho; satriko hihaino Ahy ianareo, ry Israelita:

10 Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo, aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,

11 satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta ! Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko."

12 Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy, ny Israelita tsy nila Ahy,

13 koa navelako izy hizotra amin'ny ditran'ny fony sy hanaraka izay tiany hatao.

14 Raha mba nihaino Ahy ny vahoakako, raha mba nanaraka ny torolalako ny Israelita,

15 dia ho nampietreko faingana ireo fahavalony ary ho nofaiziko ireo mpampahory azy.

16 Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko; ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.

17 Ny Israelita kosa ho nofahanany vary tsara indrindra ary ho novokisany tantely avy amin'ny vatolampy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0664