Salamo

Toko faha-80 (79)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon'i Asafa.

2 Ry Mpiandry an'i Israely o, mba mihainoa anay, Ianao Izay mitarika ny taranak'i Josefa toy ny andian'ondry; Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima , mba misehoa.

3 Eo anatrehan'i Efraima sy i Benjamina ary i Manase, fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.

4 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!

5 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mandra-pahoviana no hotezeranao izahay ho setrin'ny vavakay vahoakanao?

6 Alahelo no zary sakafo afahanao anay, ranomaso mandriaka no ampisotroinao anay.

7 Ataonao ho fanarabin'ireo firenen-kafa izay mpifanila aminay izahay sy ho fihomehezan'ny fahavalonay.

8 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!

9 Namindra voaloboka iray avy any Ejipta Ianao ary nandroaka firenen-kafa mba hambolena azy;

10 nodiovinao ny tany teo anoloany, koa namaka lalina izy ary nameno ny tany.

11 Ny alokalony naharakotra ny tendrombohitra any atsimo ary ny rantsany nananika ny sedera goavana any Libano;

12 nampisandrahaka ny rantsany hatrany an-dranomasina any andrefana izy, ary nampihanaka ny sakeliny hatrany amin'ny ony any atsinanana.

13 Nahoana ary no dia noravanao ny fefy manodidina an'ilay voalobokao, ka mioty azy ny mpandalo rehetra?

14 Manimba azy toa lambo avy any an'ala ireo ary tonga miraoka azy toa bibidia.

15 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba miverena; tsinjovy avy any an-danitra ka jereo ary karakarao ilay voalobokao:

16 arovy ilay zana-kazo nambolenao, ilay solofo nohatanjahinao ho Anao.

17 Aoka ho levon'ny fandrahonanao ireo fahavalo nanjera sy nandoro!

18 Aoka homban'ny fiarovanao ilay vahoaka voafidinao , dia ilay firenena nohatanjahinao ho Anao!

19 Amin'izay dia tsy handao Anao intsony izahay; Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.

20 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.062