Salamo
Toko faha-79 (78)
1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra o, nidiran'ireo hafa firenena ny taninao ka nozimbazimbainy ny tempolinao masina ary nataony korontam-bato i Jerosalema.2 Ny fatin'ny mpanomponao, eny, ny nofon'ireo mpivavaka aminao, dia nomeny ho sakafon'ny papango ary natsipiny ho hanin'ny bibidia.
3 Ny ran'ireo mpanomponao dia nataony mandriaka toy ny rano manerana an'i Jerosalema, ka tsy misy olona tavela handevina.
4 Tonga fandatsan'ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay izahay, zary fihomehezana sy faneso ho an'ireo firenena manodidina anay.
5 TOMPO o, mandra-pahoviana izahay no hitananao ny fahatezeranao sy ity fahasarotam-piaronao izay mandoro tahaka ny afo?
6 Aoka ireo firenen-kafa no hotezeranao, dia ireo firenena tsy mahalala Anao, ireo fanjakana tsy mivavaka aminao,
7 fa norobainy ny taranak'i Jakoba ary nosimbany ny tany fonenany.
8 Aza tsaroana hamelezana anay ny heloka vitan'ireo talohanay; fa aoka ny famindramponao no ho tonga haingana hitsena anay, satria voa mafy tokoa izahay!
9 Andriamanitra mpamonjinay o, vonjeo izahay noho ny voninahitrao; mba avelao re ny fahotanay, ka afaho izahay noho ny lazanao.
10 Nahoana ny firenen-kafa no hanontany hoe: "Aiza ary izay Andriamanitrareo ?" Aoka ho fantany sy ho hitanay fa valianao ny ran'ireo mpanomponao izay novonoin'izy ireny ho faty!
11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitarainan'ireo voafonja! Araka ny haben'ny herinao no iarovy ny ain'ireo voaheloka ho faty.
12 TOMPO o, mba valio impito heny amin'ireo firenena mifanila aminay ny fanalam-baraka nataony Anao.
13 Fa izahay vahoakanao, andian'ondry fiandrinao, dia hanolotra fisaorana Anao mandrakizay, hanambara ny fiderana Anao hatrany hatrany.