Salamo
Toko faha-77 (76)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotona filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Asafa.2 Andriamanitra no antsoiko mba hitarainako; eny, Izy no antsoiko mba hihainoany ahy.
3 Ny TOMPO no tadiaviko amin'ny andro fahoriako; tsy an-kitsahatra, nony alina, no anandratako tanana any aminy , kanefa dia tsy mety mionona ny foko.
4 Mahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka misento; raha vao mieritreritra aho, dia rera-tsaina.
5 Tsy avelan'ny TOMPO hikimpy ny masoko; mitebiteby aho, ary tsy hitako izay ho lazaina.
6 Vetsoiko ny andro fahiny tsaroako ny taona taloha elabe.
7 Mandinika lalina aho, nony alina, sady mieritreritra ato am-poko; ka ny saiko dia velom-panontaniana hoe:
8 "Dia hanary anay mandrakizay ve ny Tompo? Tsy hiantra anay intsony ve Izy?
9 Dia ho lany tokoa ve ny fitiavany anay? Ho tapitra tsy hisy intsony ve ny teniny?
10 Hadinon'Andriamanitra ve ny miantra anay? Nohidiany tanteraka ve ny fony, satria tezitra Izy? "
11 Dia hoy aho anakampoko hoe: "Ny mampahararirary ahy dia izao: Tsy manao asa mahery ho anay intsony ilay Andriamanitra Avo Indrindra."
12 TOMPO o, tsaroako izay efa nataonao ary tadidiko ny zava-mahagaga vitanao fahiny.
13 Mandinika ireo asanao rehetra aho ary mieritreritra ireo zava-dehibe nataonao.
14 Andriamanitra o, fahamasinana no tanjon'ny lalanao ka tsy misy Andriamanitra lehibe toa Anao.
15 Ianao irery no manao zava-mahagaga; ary nasehonao tamin'ny firenen-kafa ny fahefanao.
16 Ny herinao no nanavotanao ny vahoakanao, dia ny taranak'i Jakoba sy ny taranak'i Josefa.
17 Andriamanitra o, nahita Anao ny ranobe ka raiki-tahotra; eny, nipararetra mbamin'ny fanambanin'ny ranomasina aza.
18 Nandrotsaka oram-be ny rahona, namoaka kotro-baratra ny raho-matevina, ary nifanaretsaka ny zana-tsipikanao.
19 Tamin'ny firohondrohon'ny kotro-baratrao dia nahazava izao rehetra izao ny tselatra, ary nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.
20 Nanao lalana tany an-dranomasina Ianao ary sakeli-dalana tany amin'ny rano lalina , nefa tsy nisy nahalala ny soritry ny dianao.
21 Toy ny fitarihana andian'ondry no nitarihanao ny vahoakanao tamin'ny alalan'i Mosesy sy i Aharona.