Salamo

Toko faha-76 (75)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tononkira.

2 Fantatra eo amin'i Joda Andriamanitra; lehibe eo amin'i Israely ny lazany.

3 Ao Salema ny trano itoerany ary ao Tsiona ny fonenany.

4 Tao no namotehany ny fitaovam-piadiana, dia ny tsipika manelatra sy ny ampinga ary ny sabatra.

5 Andriamanitra o, mahatahotra Ianao, avo manerinerina noho ny tendrombohitra fahagola.

6 Voaroba mbamin'ny miaramila mahery fo, satria renoky ny torimaso ireo; ankona tsy nahahetsika avokoa ireny lehilahy matanjaka ireny.

7 Ry Andriamanitr'i Jakoba o, nandrahona Ianao ka nitsatoka teo ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

8 Eny, mahatahotra tokoa Ianao! Ka iza no hahajanona eo anoloanao, rehefa mipoaka ny fahatezeranao?

9 Avy any an-danitra no amoahanao didim-pitsarana; Andriamanitra o, raiki-tahotra ny tany ka mangina,

10 fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin'ny tany.

11 Na dia ny fahatezeran'i Edoma aza dia hanjary fiderana Anao; ary ny olona sisa tavela any Hamata dia hataonao manaiky Anao.

12 Manaova voady amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, ary efao aminy izany; ianareo firenen-drehetra manodidina, mitondra fanatitra ho an'ilay Andriamanitra mahatahotra;

13 fa Izy no mampiato ny reharehan'ireo andriana sady mampahatahotra an'ireo mpanjakan'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0604