Salamo

Toko faha-75 (74)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. hohiraina araka ny feon'ny hoe: "Aza ravana... ". Salamo nataon'i Asafa.Tononkira.

2 Andriamanitra o, midera Anao izahay; eny, midera Anao tokoa izahay. Ataonay antso avo ny lazanao ary tantarainay ny zava-mahagaga vitanao.

3 Hoy ny TOMPO hoe: "Amin'ny fotoana ho tondroiko dia hanao fitsarana araka ny hitsiny Aho.

4 Hihorohoro ny tany mbamin'ireo mponina eo aminy, nefa Izaho mbola hihazona ny andry iorenany."

5 Hoy aho aminareo mpirehareha hoe: "Aoka izay ny fireharehanareo!"; ary aminareo olon-dratsy hoe: "Aza miandranandrana intsony!

6 Eny, aza miandranandrana intsony; aza mafy hatoka miteniteny foana.

7 Fantaro fa ny didim-pitsarana havoaka dia tsy avy any atsinanana na avy any andrefana, tsy avy any avaratra na avy any atsimo;

8 satria Andriamanitra no mpitsara, ka mampietry ny sasany Izy ary manandratra ny hafa kosa."

9 Misy tsangambava iray eo an-tanan'ny TOMPO, dia tsangambava feno divay mifangaroharo izay tandindon'ny hatezerany mandroatra. Asainy sotroin'ny olon-dratsy rehetra amin'ny tany izany ka tsy maintsy trohin'ireo hatramin'ny faikany.

10 Izaho kosa tsy hitsahatra hanambara izany, ka dia ilay Andriamanitr'i Jakoba no hankalazaiko amin-kira hoe:

11 Hopotehiny avokoa ny fahefan'ny olon-dratsy fa hasandrany kosa ny fahefan'ny olo-marina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581