Salamo
Toko faha-74 (73)
1 Tononkalo fananarana nataon'i Asafa. Andriamanitra o, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian'ondry fiandrinao no irehetan'ny fahatezeranao?2 Tsarovy ilay vahoakanao izay efa azonao hatramin'ny ela, dia ireo foko navotanao ho fanananao; tsarovy ny tendrombohitra Tsiona izay nataonao fonenana.
3 Avia Ianao hijery ireo rava hatry ny ela, fa nosimban'ny fahavalo avokoa ny zavatra tanatin'ny toerana masina.
4 Tao amin'ny faritra fihaonana aminao no nihorakorahan'ireo olona mpandrafy Anao ary nametrahany ny fanevany ho mari-pandresena.
5 Ny fisehony tao dia toy ny mpikapa hazo manainga famaky hitevy ala mikitroka,
6 ary nopotehiny tamin'ny famaky sy ny kanonta avokoa na ny rafitra na ny sokitra tamin'izay.
7 Nodorany ilay Toeramasinao; ary nazerany sy nozimbainy ilay trano anajanay Anao.
8 Hoy izy ireo ny aminay hoe: "Aoka hampahorintsika izy rehetra; ary aoka hodorantsika avokoa ny toeram-pivavahana eto amin'ny tany!"
9 Tsy hitanay intsony ny mariky ny fanatrehanao, tsy misy mpaminany intsony; ary tsy misy aminay mba mahalala izay mbola haharetan'izao toe-javatra izao.
10 Andriamanitra o, mandra-pahoviana no hiteny ratsy Anao ny mpandrafy anay? Ary moa ny fahavalonay ve dia tsy hitsahatra hanamavo Anao?
11 Nahoana ny tananao ankavanana no nahemotrao ary fihininao mafy tsy hamonjy anay?
12 Kanefa Andriamanitra o, Mpanjakanay hatrizay hatrizay Ianao, mpanao famonjena eto anivon'ny tany.
13 Mampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao Ianao, namakivaky ny lohan'ny dragona teny ambony ranobe,
14 nanapotika ny lohan'izany fanany goavana izany ka nanome ny tenabeny ho hanin'ny antsantsa.
15 Nanokafanao lalana ny loharano sy ny sakeli-drano, ary nataonao tankina ny ony tsy mety ritra.
16 Anao ny andro, Anao koa ny alina fa Ianao no nahary ny masoandro amam-bolana.
17 Ianao no nametra ny faritra rehetra amin'ny tany, Ianao koa no nanao ny fahavaratra sy ny ririnina.
18 TOMPO o, izao no mba tsarovy: miteny ratsy Anao ny fahavalo, manamavo Anao io firenena adala io.
19 Aza atolotra an'ireo bibidia ireo ny ain'ilay domohina malalanao; aza hadinoina na oviana na oviana ny fiainan'ireo olo-mahantranao.
20 Hevero ny fanekem-pihavanana nataonao, satria feno olona iharan'ny herisetra ireo fiafenana rehetra ato amin'ny tany.
21 Aza avela hiverina amin-kenatra izay nampahorina; aoka kosa ny mahantra sy ny malahelo hidera Anao!
22 Andriamanitra o, mirotsaha an-tsehatra hiandraikitra ny adinao; tsarovy fa ireo adala ireo dia miteny ratsy Anao isan'andro.
23 Aza hadinoina ny tabataban'ireo mpandrafy Anao, dia ny horakoraka izay ataon'ireo mpanohitra Anao ka tsy mitsahatra miakatra any aminao.