Salamo
Toko faha-73 (72)
1 Salamo nataon'i Asafa. Tsara mihitsy Andriamanitra amin'i Israely, dia amin'izay rehetra madio fo.2 Kanefa saika nibolisatra ny tongotro, kely foana dia solafaka ny diako.
3 Fa nialona ny mpaniratsira aho raha nahita ny fahombiazan'ny olon-dratsy,
4 satria tsy nisy mahory azy mandra-pahafatiny fa sady vaventy izy no matavy koa.
5 Tsy mba mahakasika azy akory ny fahorian'ny olona; ary tsy mba voakapoka miaraka amin'ny hafa izy.
6 Ny fireharehana no iambozonany toy ny rojo; ary ny herisetra no itafiany toy ny lamba.
7 Ny masony mila ho difotry ny taviny, nefa tazana eo tsara izay kendren'ny fony.
8 Maneso izy sady miresaka zava-doza, ary mirehareha ery miresaka famoretana.
9 Misoka-bava hamely an'Andriamanitra any an-danitra izy ary manao teny manodoka mahatety ny tany.
10 Noho izany, na dia ny vahoakan'Andriamanitra aza dia lasa mirona mankany amin'ireo ary migoka ny teniny toa rano fisotro.
11 Hoy izy hoe: "Tsy mahalala na inona na inona Andriamanitra; tsy mahalala ny ataontsika ilay Avo Indrindra."
12 Jereo ireny olon-dratsy ireny: mahomby mandrakariva, mitombo harena.
13 Hay very maina izany ny nanadiovako ny foko sy nanasako ny tanako ho tsy manan-tsiny !
14 Voakapoka tontolo andro aho ary faizina isa-maraina.
15 Raha izay aho no tapa-kevitra hiteny tahaka azy, dia ho lasa mpamadika an'ireo anisan'ny zanakao.
16 Nieritreritra aho ka niezaka hahatakatra; kinanjo sarotra tamiko ny hahita mazava,
17 mandra-piditro tao amin'ny Toeramasinao, ka nahatakarako ny anjara miandry ireo olon-dratsy.
18 Hay ve ka napetrakao amin'ny kisilasila izy ireny mba hanjeranao azy any amin'ny faharavana!
19 Oadray! Fongana indray mipi-maso izy, levona matin'ny horohoro tampoka.
20 TOMPO o, rehefa mifoha homba ahy Ianao, dia ho levona ireny toy ny ahalevonan'ny nofin'ny olona rehefa taitra izy.
21 Fony aho feno alahelo ka tohina mafy tato anatiko,
22 dia ketrina aho fa tsy nahalala na inona na inona; eny, toy ny biby tsy manan-tsaina aho teo anatrehanao.
23 Kanefa niaraka taminao mandrakariva aho, ary notantananao tamin'ny tanako ankavanana.
24 Ny torohevitrao no itarihanao ahy; avy eo aho dia ho raisinao ho any amin'ny voninahitrao.
25 Any an-danitra, iza moa no ahy afa-tsy Ianao? Ety an-tany, inona indray no iriko fa efa miaraka aminao aho?
26 Mety hihareraka ny nofoko sy ny foko, fa Ianao kosa, Andriamanitra o, no aroko sy anjarako mandrakizay.
27 Indro very izay mihataka aminao ary aringanao izay rehetra mandao Anao.
28 Fa izaho kosa, ny mahasambatra ahy dia ny ho eo akaikinao, Andriamanitra o; Ianao Tompo ANDRIANANAHARY no nataoko fialofana hahazoako manambara ny asa rehetra vitanao.