Salamo

Toko faha-72 (71)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Salomona. Andriamanitra o, omeo ny mpanjaka izany fahaizanao mitsara; omeo ity taranak'andriana izany fitandroanao ny rariny.

2 Aoka ho entiny ara-drariny sy hitsiny ireo malahelonao, dia ny vahoakanao.

3 Koa fanambinana sy rariny ho an'ny vahoaka anie no ho vokarin'ny tendrombohitra sy ny havoana!

4 Homeny rariny sy ho vonjeny anie ny malahelo sy ny mahantra amin'ny vahoaka, fa ny mpamoritra kosa hopotehiny!

5 Enga anie ity mpanjaka ity sy ireo taranany haharitra mandritra ny taona mifandimby, raha mbola hamiratra koa ny masoandro ary mbola hanazava koa izany volana!

6 Aoka izy ho tahaka ny erika mifafy amin'ny vilona, ho tahaka ny oram-baventy manondraka ny tany!

7 Amin'ny andro ny anie dia hamony ny rariny ary hiroborobo mandavantaona ny fiadanana!

8 Aoka izy hanjaka hatreo amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina hafa , ary hanjaka manomboka amin'ny ony Eofrata ka tafapaka amin'ny faran'ny tany!

9 Ny mpanohitra azy handohalika eo anoloany ary ny fahavalony hihohoka am-bovoka.

10 Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny an'ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan'i Saba sy ny an'i Seba kosa ho avy handoa hetra aminy.

11 Ny mpanjaka hafa rehetra hiankohoka eo anatrehany; ary ny firenen-drehetra hanompo azy.

12 Eny, hafahan'ity mpanjaka ity ny mahantra miantso vonjy aminy sy ny ory tsy mba manan-kanampy.

13 Hangorahany ny osa sy mahantra ka ho vonjeny ny ain'izy ireo,

14 hotsoahany amin'ny fampahoriana sy amin'ny fanaovana an-keriny satria sarobidy eo imasony.

15 Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabano hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarina soa isan'andro isan'andro!

16 Hahavokatra vary betsaka anie ny tany; hatrany an-tampon-tendrombohitra aza no aoka hihondrahondra ny vokatra ka hilonjehitra toy ny any Libano ny salohy! Ary ny mponina isan-tanana anie hiroborobo toy ny ahitra eny an-tsaha!

17 Ny lazan'ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon'ny tany tontolo ka hataon'ny firenena rehetra hoe: "Sambatra!"

18 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, Ilay hany mahefa zava-mahagaga!

19 Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny any tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!

20 Tapitra eto ny tonombavak'i Davida zanakalahin'i Jisay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565