Salamo

Toko faha-71 (70)

1 TOMPO o, Ianao no fialofako ka tsy ho diso fanantenana na oviana na oviana aho!

2 Noho ny fahamarinanao dia afaho sy ambeno aho, anongilano sofina ka vonjeo.

3 Aoka Ianao ho vatolampy miaro ahy sy ho manda ahitako famonjena ! Ianao tokoa no harambato sady toera-mafy ho ahy.

4 Andriamanitro o, ambeno re aho mba tsy ho azon'ireo olon-dratsy na ho voatanan'ny olo-meloka mbamin'ny mpanao an-keriny.

5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo ANDRIANANAHARY o; Ianao no itokiako hatry ny fahakeliko.

6 Vao teraka aho, dia niantehitra taminao; mbola tany am-bohoka aho, efa mpiaro ahy Ianao. Ianao lalandava no fiderako.

7 Toa zava-mahagaga ho an'ny maro aho, kanefa Ianao no fialofa-mafy ho ahy.

8 Ho feno fiderana Anao anie ny vavako ary ho feno fankalazana Anao isan'andro.

9 Aza arianao aho, nony antitra; aza afoy, rehefa lany hery.

10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko, miara-mioko mikendry ny hahafaty ahy.

11 Hoy ireo hoe: "Nafoin'Andriamanitra io ka enjeho; sambory fa tsy misy mpanafaka."

12 Andriamanitra o, aza manalavitra ahy; Andriamanitro o, faingana re hamonjy.

13 Ho menatra sy ho afa-baraka anie ireo olona mpiampanga ahy; ho voatevateva sy ho very haja anie ireo olona mitady hanisy ratsy ahy!

14 Izaho kosa hanantena Anao lalandava, ary hampitombo ny fiderana Anao;

15 isan'andro no hitanisan'ny vavako ny fahamarinanao sy ny famonjenao, na tsy voaisako avokoa aza ireny.

16 TOMPO ANDRIANANAHARY o, hiditra ao an-tranonao aho, satria Ianao nirotsaka an-tsehatra nomba ahy; ary dia ny fahamarinanao irery no ho tsahiviko.

17 Hatry ny fony aho mbola tanorano efa nampianarinao, Andriamanitra o; ary mandraka izao dia tsy mitsahatra manambara ireo asanao mahagaga.

18 Antitra sy fotsy volo aho ankehitriny, nefa aza afoy, Andriamanitra o; enga anie aho ho afaka hanambara ny asanao mahery vaika sy mahomby amin'ireo tanora sy ny taranaka manaraka!

19 Ambony dia ambony tokoa ny fahamarinanao, Andriamanitra o; ary nahavita zava-baventy Ianao! Tsy misy toa Anao, Andriamanitra o.

20 Fahoriana be sady mafy no navelanao hihatra tamiko; kanefa hovelombelominao indray aho, ary hampiakarinao indray ho afaka amin'ny fasana mampihitsoka.

21 Dia mbola hampionona indray Ianao ary hamerina amiko ny voninahitro.

22 Izaho kosa hidera Anao amim-baliha noho ny toetranao mahatoky, ry Andriamanitro o, sy hiredona salamo arahin-dokanga ho Anao, ry ilay Masin'i Israely.

23 Eny, hihorakoraka hihoby Anao aho sady hankalaza Anao amin-java-maneno, satria efa notsimbininao ny aiko.

24 Isan'andro no hitanisako ny fahamarinanao, satria efa menatra sy mangaihay ireo olona nitady hanisy ratsy ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0599