Salamo
Toko faha-70 (69)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida, hitaomana an'Andriamanitra hahatsiaro azy.2 Andriamanitra o, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy; TOMPO o, faingana re hamonjy ahy!
3 Ho menatra sy hangaihay anie izay olona mitady hahafaty ahy; hihemotra sy ho afa-baraka anie izay olona maniry loza ho ahy!
4 Aoka hiverina i lalana ho safotry ny henatraireo mpanakora ahy hoe: "Akorinao izay!"
5 Izay rehetra mitady Anao kosa anie hifaly sy hiravo amin'ny nataonao; ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie hivolan-dava hoe: "Lehibe tokoa Andriamanitra!"
6 Izaho kosa dia ory sy mahantra; faingana ho eto amiko, Andriamanitra o. Mpamonjy sy mpanafaka ahy Ianao ka aza ela fa tongava, TOMPO o!