Salamo
Toko faha-7
1 Fitarainana nataon'i Davida. Nohirainy teo anatrehan'ny TOMPO noho ny amin'i Kosy ilay Benjaminita.2 TOMPO Andriamanitro o, Ianao no fialofako. Mba vonjeo re aho ary afaho amin'izay rehetra manenjika ahy.
3 Raha tsy izany, dia hamiravira ahy tahaka ny fanaon'ny liona izy, ka tsy hisy hanafaka na hanaisotra ahy eny aminy.
4 TOMPO Andriamanitro o, raha nahavita izany anaratsiany ahy izany aho, raha nanao heloka ny tanako,
5 raha namaly ratsy ny mpanasoa ahy aho na nandroba an'ireo mpampahory izay mandrafy ahy tsy amin'antony,
6 dia aoka ny fahavaloko hanenjika ahy ka hahatratra ahy! Aoka ho hoseny an-tany mbola velona aho , ka hotarihiny am-bovoka ny hajako!
7 TOMPO o, mirotsaha an-tsehatra Ianao. Aoka hirehitra tokoa ny fahatezeranao! Tohero ireo fahavaloko misafoaka; mijoroa re Ianao mba hanampy ahy, amin'ny fitsarana marina avoakanao.
8 Aoka ireo firenena hivory hanotrona Anao; ary maka toerana hanerinerina azy Ianao eo amin'ilay sezafiandriananao.
9 TOMPO o, Ianao no mpitsara ireo firenena; koa tsarao aho, ry TOMPO Avo Indrindra, fa tia rariny aho ary tsy manan-tsiny.
10 Ampitsaharo ny haratsian'ireo olon-dratsy, ampioreno mafy kosa izay tia rariny; fa Andriamanitra marina Ianao no mahalala ny ao am-po tsy miloaka.
11 Ny ampinga miaro ahy dia Andriamanitra, ilay Mpamonjy an'ireo mahitsy fo.
12 Mpitsara mitandro ny rariny Andriamanitra, ka rahonany mandrakariva ny olon-dratsy.
13 Koa raha tsy miala amin'ny ratsy ireo, dia handrani-tsabatra Andriamanitra sady hanenjan-tsipika ka hikendry hamely.
14 Fiadiana mahafaty no omaniny, dia zana-tsipika mandoro.
15 Indreo kosa ny mpiteti-dratsy: loza no saintsaininy lainga sy fitaka no aterany.
16 Mihady lavaka lalina tokoa izy, nefa izy ihany no mianjera ao.
17 Ny loza nomaniny dia mitsingerina eo an-dohany; ary ny herisetra notetehiny dia miantonta eo an-tampon-dohany.
18 Hidera Anao aho, TOMPO o, fa mitandro ny rariny Ianao; ary hankalaza ny anaranao amin-kira aho, ry TOMPO Avo Indrindra o.