Salamo
Toko faha-69 (68)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo nataon'i Davida.2 Andriamanitra o, mba vonjeo aho, fa efa mby hatenda ny rano;
3 Milentika amin'ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana; tonga amin'ny rano lalina aho ary efa indaosin'ny riaka.
4 Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.
5 Ireo mpankahala ahy tsy amin'antony dia maro kokoa noho ny volon-dohako; mahery ireo mitady hahafaty ahy, dia ireo mpandrafy ahy tsy an-drariny. Zavatra izay tsy nalaiko no indro asainy averiko.
6 Andriamanitra o, fantatrao ny hadalako; ny hadisoako tsy mba miafina aminao.
7 Ry TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao o, aoka tsy ho menatra noho ny amiko ireo olona miantehitra aminao; aoka tsy hangaihay noho ny amiko ireo mitady Anao, ry Andriamanitr'i Israely!
8 Noho Ianao no izakako latsa sy mahasafo-kenatra ny tavako,
9 ka nanjary olon-kafa sy vahiny aho ho an'ireo mpiray tampo amiko.
10 Ny fitiavako an'ilay tranonao dia mandoro ahy toy ny afo. Ny latsa natao hihatra aminao no mifotitra aty amiko.
11 Mietry tena sady mifady hanina aho, kanefa dia andatsana ahy izany.
12 Fitafiam-pisaonana no nanaovako, dia tonga fanarabin'ny olona aho
13 sy fitafan'ny mpitoro voka eo am-bavahady ary koa fikalon'ny mpidoroka.
14 Izaho kosa mivavaka aminao, TOMPO o, satria fotoam-panambinanao izao; Andriamanitra o, be fitiavana Ianao, ka valio aho fa azo antoka ny famonjenao.
15 Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka na hindaosin'ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;
16 aoka aho tsy ho safotry ny riaka na koa ho voatelin'ny hantsanana ho voahidin'ny fasana ao anatiny!
17 TOMPO o, valio aho fa soa ny fitiavanao; todiho aho fa be indrafo Ianao.
18 Aza minia tsy hijery ahy mpanomponao; azom-pahoriana aho, ka valio faingana.
19 Tongava eto akaikiko Ianao hiandraikitra ahy, ka afaho amin'ny fahavaloko aho.
20 Latsa, henatra, fahafaham-baraka: fantatrao fa mihatra amiko avokoa ireny; tsy misy takona Anao ny mpandrafy ahy.
21 Torotoron-datsa ny foko ka reraka aho: niandry mpitsetra fa tsy nisy, nitady mpampionona fa tsy nahita.
22 Ny sakafoko nasian'ny sasany poizina; mangetaheta aho, ampisotroiny vinaingitra.
23 Ho fandrika ho an'ny fahavaloko anie ny sakafony ary ho tonta hahavoa azy ny sorom-pihavanana ho haniny!
24 Ho jambena anie ny masony ka tsy hahita, hanjary manjoko lalandava anie izy !
25 Ny fisafoahanao atosahy aminy; ary enga anie hahatratra azy ny firehitry ny haviniranao!
26 Aoka ho rava ny tobiny ary tsy hisy mpitoetra ny lainy ,
27 satria ilay nokapohinao no mbola enjehiny ary ny ferin'ilay noratrainao no ampiany!
28 Ho voatahiry an-tsoratra avokoa anie ny heloka vitan'ireo fahavaloko, ka tsy hisy hoekenao ho marina izy!
29 Koseho ny anarany ao amin'ilay horonamboky mirakitra ny lisitr'ireo hanana ny fiainana ; aoka izy tsy ho voasoratra ho anisan'ny olo-marina!
30 Izaho kosa dia ory sy mijaly, Andriamanitra o, ka ny famonjenao anie no hampahery ahy;
31 dia hidera ny anaranao amin-kira aho sy hankalaza Anao amin-tsaotra.
32 Fa izany, TOMPO o, no sitrakao noho ny ombilahy na ny vantotr'omby ary tandroka sy kitro.
33 Hahita ny famonjena ahy ny ory ka ho faly. Ry mpitady an'Andriamanitra, ho ela velona anie ianareo!
34 Satria ny mahantra henoin'ny TOMPO ary ny olony voagadra tsy mba ariany.
35 Midera Azy, ry tany aman-danitra mbamin'ny ranomasina sy izay velona ao.
36 Fa Andriamanitra hamonjy an'i Tsiona sady hanangana ireo tananan'i Joda, ka hitoetra ao ny olony sady ho tompon-toerana;
37 ireo taranaky ny mpanompon'Andriamanitra no ho tonga mpandova izany; ary izay tia ny anarany no hiorim-ponenana ao.