Salamo

Toko faha-68 (67)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. Tononkira.

2 Hirotsaka hamely anie Andriamanitra ka ny fahavalony dia hiparitaka, ny mpankahala handositra lavitra Azy!

3 Toy ny fielin'ny setroka no aoka ho fieliny; tahaka ny savoka mitsonika amin'ny afo no aoka hahalevona ny olon-dratsy eo anatrehan'Andriamanitra!

4 Ny olo-marina kosa anie hifaly sy hiravo ary dia hibita-kafaliana eo anoloany!

5 Mihira ho fanajana an'Andriamanitra, mankalaza ny anarany amin'ny salamo mba hanoman-dalana ho fandraisanaan'ilay mpitaingin-drahona ho kalesy. Ny Tompo no anarany ka mifalia eo anoloany.

6 Andriamanitra ao an- Toeramasiny no ilay Ray miahy ny kamboty sy manome rariny ny mpitondratena.

7 Ny manirery omeny ankohonana, ny voagadra avoakany ho afaka. Ny mpikomy ihany no hitoetra any amin'ny tany karankaina.

8 Andriamanitra o, fony Ianao niainga mba hialoha ny vahoakanao ka namakivaky izany taniefitra,

9 dia nihovotrovotra ny tany , nanorana koa ny habakabaka teo anoloanao, ry Andriamanitr'i Sinay, teo anoloanao, ry Andriamanitr'i Israely.

10 Ranonoram-pitahiana no narotsakao ka velombelona tery ilay taninao lany hery.

11 Tao ny vahoakanao no niorim-ponenana, fa izany no namboarinao ho an'ny ory satria tsara fo Ianao, Andriamanitra o.

12 Injao ny TOMPO mandefa hafatra, ka dia zavon-tany ny vehivavy mitondra ny vaovao manao hoe :

13 "Samy vaky nandositra avokoa na mpanjaka na tafika fahavalo. Ireo vehivavy tavela tao an-trano dia mizarazara ny zavatra voababo.

14 Na ianareo tsy mba niady aza fa nijanona niandry valan'ondry, dia ho tahaka ny voromahailala misy elany mirava-bolafotsy sy volony mirava-bolamena tsara.

15 Fony Andriamanitra Tsitoha nanaparitaka ireo mpanjaka teo, dia ilay tendrombohitra hoe Salmona no indro nilatsahan'ny oram-panala."

16 Ny vohitr'i Basana dia vohitra mideza; vohi-maro tendro ny vohitr'i Basana.

17 Kanefa nahoana, ry vohi-maro tendro, no ialonanao ilay vohitra voafidy, voafidin'Andriamanitra mba honenany? Eny, hitoetra ao mandrakizay ny TOMPO!

18 Kalesy an'arivo ny aman'alina ireo kalesin'ny Tompo Andriamanitra; ka avy any an-tendrombohitra Sinay Izy no mankao amin'ilay Toeramasina.

19 Nitondra babo Ianao no niakatra eny an-kavoana; nandraisanao fanomezana ny olombelona na dia ireo mpikomy taminao koa aza mba honenanao eo, ry TOMPO Andriamanitra.

20 Hisaorana isan'andro isan'andro anie ny Tompo, ilay Andriamanitra mpamonjy miahy antsika!

21 Andriamanitra mahavonjy ilay Andriamanitsika. Eny, ilay ANDRIANANAHARY Tompo no afa-manala, afa-manala antsika amin'ny fahafatesana.

22 Ny lohan'ny fahavalo ny kosa montsaniny, dia ireo lava volo mirehaka amin'ny ratsy.

23 Hoy ny TOMPO hoe: "Ireo fahavalonao any Basana hampodiko, ny any an-kibon-dranomasina koa hampodiko,

24 ka ny tongotrao no hanosihosy ny rany ary hilelaka amin'izany koa ny alikanao."

25 Ry ilay Andriamanitro Mpanjakako o, marevaka ny dianao ho any an- Toeramasina.

26 Ny mpihira no indreo fa lohalalana, ny mpitendry valiha no vodilalana; ny eo anelanelan'izy roa tonta dia ny tovovavy mively langoroana.

27 Misaora an'Andriamanitra, ry vahoaka ny tafangona; misaora Azy TOMPO, ry terak'i Israely.

28 I Benjamina, ilay foko bitika indrindra no eo aloha; dia ny andrian'i Joda izay mareva-pitafiana, avy eo indray dia ny andrian'i Zebolona, ary ny an'i Naftaly no manaraka an'ireo.

29 Ry Andriamanitra o, omeo baiko ny herinao ka hamafiso hatrany izay efa vitanao ho anay,

30 avy ao amin'ny tempolinao any Jerosalema izay itondran'ireo mpanjaka fanatitra ho Anao.

31 Rahony i Ejipta, ilay biby anaty bararata; rahony ilay andian'ombilahy, dia ireo mpifehy vahoaka: aoka ireo hikoy hitondra volafotsy ho Anao; ataovy mihahaka kosa ireo vahoaka liana ady.

32 Ho avy aminao ny andriandahin'i Ejipta; hananty tanana aminao ny Etiopianina.

33 Ianareo fanjakana eto an-tany, mihira ho fanajana an'Andriamanitra; miredona salamo ho an'ny Tompo,

34 Ilay toa mitaingina kalesy eo an-tampon'ny lanitra fahagola. Injao Izy mamoaka ny feony, dia feo midoboka mahery.

35 Koa ekeo fa an'Andriamanitra ny hery: mifehy an'i Israely ny fiandrianany ary miery ao anaty rahona ny heriny.

36 Mampitolagaga tokoa Andriamanitra miseho avy ao amin'ilay Toeramasiny. Izy no Andriamanitr'i Israely, manome hery sy tanjaka ny vahoakany. Hisaorana anie Andriamanitra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0587