Salamo

Toko faha-67 (66)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkira.

2 Andriamanitra o, mba iantrao sy tahio izahay ka enga anie hojerenao amin-kamoram-po!

3 Dia ho fantatra eto an-tany ny fomba fiasanao ary ho hitan'ny firenen-drehetra fa Mpamonjy Ianao.

4 Andriamanitra o, hidera Anao anie ny vahoaka, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!

5 Aoka hifaly sy hihoby Anao ireo firenena satria Ianao mitsara ny tontolo ara-drariny, mitsara ny vahoaka araka ny hitsiny sy mitondra ireo firenena eto an-tany!

6 Andriamanitra o, hidera Anao anie ny vahoaka, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!

7 Indro ny tany nanome ny vokany, fa Andriamanitra Andriamanitray no efa nomba fitahiana anay.

8 Aoka Izy homba fitahiana anay, dia hanaja Azy anie ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany rehetra!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0577