Salamo
Toko faha-66 (65)
1 Tononkira tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo. Mihobia an'Andriamanitra, ry mponina eran-tany.2 Ihirao Salamo Izy satria be voninahitra. Tolory voninahitra Izy amin'ny fideranareo.
3 Lazao amin'Andriamanitra hoe: "Endrey mampitolagaga ny asanao! Lehibe dia lehibe tokoa ity herinao, ka indro fa ikoizan'ny fahavalonao.
4 Hiankohoka aminao anie ny mponina eran-tany, sy hihira salamo ho Anao Andriamanitra, eny, hihira salamo ho fanajana Anao!"
5 Tongava hizaha ny asan'Andriamanitra; mitolagaga ny olombelona amin'ity ataony:
6 ny ranomasina novany ho tany maina, nitan'ny razanay an-tongotra ny ony. Aoka hifaliantsika eto izany asany izany!
7 Mahery Izy ka mifehy mandrakizay; arahiny maso ny firenena isan-tokony ka ny mpikomy dia tsy ho afa-mitraka.
8 Rey vahoaka, isaory ilay Andriamanitray, ataovy maredona ny fiderana Azy,
9 satria Izy no mahavelona aina anay; tsy navelany ho solafa-mamindra izahay.
10 Nozahanao toetra izahay, Andriamanitra o, nosedrainao toa volafotsy anaty memy,
11 nampidirinao am-pandrika sy novesaranao fitsapana.
12 Olon-dratsy no navelanao hanosihosy anay; izahay dia voatery namaky afo sy rano, kanjo nafahanao ihany sy nampahazoinao aina.
13 Koa mitondra sorona eto an-tranonao aho hanefako ny voady nataoko taminao,
14 dia izay voady notononiko fony izaho tao an-katerena.
15 Biby matavy no atolotro hodorana, ombilahy sy ondrilahy ary osilahy, ka dia handraraka tsara ny eto ny.
16 Ianareo mpanaja an'Andriamanitra, tongava daholo mba hihaino fa ho tantaraiko izay nataony tamiko.
17 Vao nanomboka niantso Azy aho, dia fiderana sahady no nambarako.
18 Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako, dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo.
19 Kanefa nihaino Andriamanitra, tena reny tokoa ny fivavako.
20 Hisaorana anie Andriamanitra, fa tsy mba nolaviny ny fivavako ary tsy nalany tamiko ny fitiavany!