Salamo
Toko faha-65 (64)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. Tononkira.2 Ry Andriamanitra monina ao Tsiona o, mendrika hoderaina Ianao sy hanefana ny voady natao.
3 Satria mpihaino vavaka Ianao, dia hatonin'ny olona rehetra
4 samy vesaran'ny heloka vitany. Ny hadisoanay tsy zakanay; Ianao kosa no mikosoka azy.
5 Sambatra ny olona izay voafidinao ka asainao honina ao an-kianjanao! Hamoky anay ny zava-tsoan'ny tranonao, dia ny zava-masin'ny tempolinao.
6 Manasoa anay tokoa Ianao, ry Andriamanitra Mpamonjy anay; ka dia zava-mampitolagaga no amalianao ny vavakay, ry hany fanantenan'ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany rehetra mbamin'ireo nosy any lavitra any.
7 TOMPO o, tanjaka sy hery no asehonao, ka ataonao miorina mafy ny vohitra,
8 tonenao ny riaka misamboaravoara sy ireto onjany mirohondrohona, ampangininao ny firenena mitabataba.
9 Noho ireo famantarana ataonao, dia mitolagaga ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany; na tatsinanana na tandrefana dia entaninao hihorakoraka hihoby.
10 TOMPO o, miahy ny tany Ianao, manondraka azy amin'ora-mikija ka mahatonga azy ho vokatra tokoa. Ilay reniranonao , Andriamanitra o, dia tondraka midibadiba hatrany. Vary ho an'ny olona no omaninao ka toy izao no fikolokoloanao ny tany:
11 ny soritr'asa ataonao ampo-dranony bainga motahinao sy aravonao; oram-batravatra no amontosanao azy ka ombanao fitahiana ny tsirim-bary.
12 Dia zava-tsoa no toa fehiloha izay asatrokao ny taona; ka fahavokarana mitafotafo no amin'izay andalovanao.
13 Maitso mavana ny ahitra an-tanety, ka feno fifaliana ny havoana;
14 Rakotra ondry aman'osy ny tanimbilona, ary voasarom-bary ny lohasaha ka manako ny hoby sy ny hira ho Anao.