Salamo
Toko faha-64 (63)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Andriamanitra o, mitaraina aminao aho ka henoy. Ny aiko mba arovy amin'ny fahavalo atahorako.
3 Afeno aho tsy ho azon'ny olon-dratsy miokona ho voan'ny mpanao heloka miray tetika.
4 Ranitiny ho toa sabatra ny lelany, teny mandratra no zana-tsipika alefany;
5 miafina izy mikendry ny olo-mahitsy, dia mitifitra tampoka, tsy miahotrahotra.
6 Mifampirisika izy hanao ratsy mifampidinika hamela-pandrikaka manao hoe: "Zovy no hahita antsika?"
7 Dia ampiadiny eo ny teti-dratsiny: "Tomombana tsara ny paikantsika, hoy izy. Tsy hay fantarina ny ao am-pon'olombelona!"
8 Indreo kosa izy tifirin'Andriamanitra ka voan'ny zana-tsipika tampotampoka.
9 Ny tenin'ireo ihany no mifotitra aminy; izay rehetra mahita azy, dia mihifi-doha.
10 Mitolagaga avokoa ny besinimaro ka manambara ny asan'Andriamanitra sady maka anatra avy amin'izany.
11 Aoka ny olo-marina hifaly amin'ny TOMPO sy hanao Azy ho fialofany hatrany; ary aoka ny mahitsy fo rehetra hifampiarahaba noho ny aminy!