Salamo
Toko faha-63 (62)
1 Salamo nataon'i Davida, fony izy tany an-taniefitr'i Joda.2 Andriamanitra o, Ianao no Andriamanitro; mitady fatratra Anao aho sy mangetaheta Anao. Maniry Anao ny tenako manontolo toy ny tany maina sy mangentana toy ny tany haraka mila rano.
3 Koa enga anie ho afa-mibanjina Anao ao amin'ny Toeramasina aho mba hahitako ny hery amam-boninahitrao!
4 Eny, hambarako ny fiderana Anao satria tsara noho ny aina ny fitiavanao;
5 koa mandritra ny fiainako no hisaorako Anao. Hanandra-tanana aho rehefa manonona ny anaranao;
6 dia ho heni-tsoa toy ny voky sakafo tsara aho ka ho faly handredona hira fiderana Anao.
7 Eo am-pandriana aho mahatsiahy Anao; tontolo alina, any aminao ny eritreritro
8 satria nombanao fitahiana hatrany aho ka mibitaka mialoka eo ambany elatrao.
9 Mifikitra aminao ny tenako manontolo, satria manohana ahy ny herinao.
10 Ireo olona mitady hahafaty ahy, aoka hiharan-doza tsy ampoizina ka hiditra amin'ny toeran'ny maty, any amin'ny fanambanin'ny tany!
11 Ho afaka aina any an'ady anie izy ka ho anjara sakafon'ny amboadia!
12 Fa ny mpanjaka kosa anie hifaly aminao, ry ilay Andriamanitra nampandresy azy! Ireo rehetra nanao fianianana ka nitonona Anao ho vavolombelona, aoka hifampiarahaba noho ny aminao satria voakombonao tsy ho afa-miteny ny vavan'ny olona mpandainga!