Salamo

Toko faha-62 (61)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotona filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.

2 Andriamanitra irery no iadanako; avy aminy ny famonjena ahy.

3 Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4 -Ianareo kosa, mandra-pahoviana no hifarimbona hamely olona ka hiara-mioko handrodana azy ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?

5 Ny hany itadiavanareo hanongana azy dia satria izy manana toerana ambony. Fitaka no zavatra mba maminareo: am-bava mirary soa, fa am-po manozona.

6 Andriamanitra irery no iadanako satria Izy mihitsy no antenaiko.

7 Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

8 Miankina amin'Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; Andriamanitra no Vatolampy ianteherako mafy sy fialofako.

9 -Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika.

10 Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin'ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.

11 -Aza mitoky amin'ny fanaovana an-keriny, aza miankina amin'ny fangalarana. Raha mitombo fananana ianareo, aza mba miraiki-po amin'izany.

12 Izao no tenin'Andriamanitra fandreko matetika: "Ahy ny hery!"

13 -TOMPO o, Anao ihany koa ny fitiavana; sady Ianao no mamaly ny olona araka ny asa nataony avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568