Salamo

Toko faha-60 (59)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon'i Davida ho fampianarana.

2 Tsiahivin'i Davida etoana ny nanafihany an'ireo Sirianina tany Mezopotamia sy tany Tsoba; rehefa nody kosa, dia noresen'i Joaba ny tafika edomita nisy miaramila 12000.

3 Andriamanitra o, narianao sy nahahakao izahay; kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.

4 Nohozongozoninao ny tany ka nitresaka; amboary re izy fa nisy nihotsaka.

5 Nataonao nahita ny mafy ilay vahoakanao ary nampisotroinao divay mahafanina.

6 Faneva manainga handositra no natsanganao mba ho lavitra ny tsipika ireo mpanaja Anao.

7 Vonjeo amin'ny herinao izahay ary valio vavaka, dia ho afaka fa vahoaka malalanao.

8 Ao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe: "Faly tokoa Aho fa hizara an'i Sekema sy ny lohasahan'i Sokota ho an'ny vahoakako;

9 Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase; i Efraima no toy ny fiaro lohako; i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10 I Moaba hampiasaiko toy ny tavy fisasako; i Edoma hanipazako kapa ho fananako; i Filistia hanaovako horakora-pandresena."

11 Iza no hampiditra ahy ho eo anivon'i Edoma? Zovy no hitondra ahy ho ao amin'ilay tanana mafy?

12 Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra o? Kanefa izahay efa narianao mihitsy ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13 Ampio re izahay hiady amin'ilay mpandrafy, fa tsy mankaiza ny famonjena ataon'ny olona.

14 Andriamanitra no hahazoanay fahombiazana goavana, satria Izy no hanitsakitsaka ireo mpandrafy anay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057