Salamo
Toko faha-6
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha torifolo. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho; vinitra amiko Ianao nefa aza sazina aho.
3 TOMPO o, iantrao aho fa reraka; TOMPO o, sitrano fa lany hery.
4 Mangorohoro aoka izany aho; fa Ianao kosa re, TOMPO o, aza mampiandry ahy ela loatra!
5 TOMPO o, miverena hanafaka ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao.
6 Fa ny maty tsy hahatsiaro Anao; any amin'ny fonenany, tsy hisy hidera Anao.
7 Trotraky ny sento aho; ka isan'alina dia kotsan'ny tomaniko ny fandriako ary vonton-dranomaso ny kidoroko.
8 Jembin'ny alahelo tokoa ireto masoko, efa pahina noho ny ataon'ny fahavaloko.
9 Miala amiko ianareo rehetra mpanao ratsy , satria efa ren'ny TOMPO ny fitomaniako.
10 Eny, ren'ny TOMPO tokoa ny tarainako ary noraisiny ny vavaka nataoko.
11 Aoka ho menatra avokoa ny fahavaloko; ho azon'ny horohoro izaitsizy anie ireo ka hiverina ilalana, feno henatra tampoka!